Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 32:3 - DIEM PROTESTANTA

3 dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 32:3
13 Rohy Ifampitohizana  

Heverinao fa ho vitan’ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?


Ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekià ary koa ny herimpo isan-karazany nasehony mbamin’ny nanaovany ny dobo sy ny lakan-drano hitarika rano hankao an-tanàna, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.


Rehefa hitan’i Hezekià fa tonga i Saneheriba ka nikasa hamely an’i Jerosalema,


I Hezekià ihany koa no nanampina ny lakan-drano ambony ao amin’ny loharanon’i Gihôna ka nampandeha azy ambanin’ny tany mba hidina mahitsy ho any andrefan’ny Tanànan’i Davida. Nambinina tamin’ny asany rehetra i Hezekià.


Dia vory maro ny olona ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mikoriana anaty lakan-drano ambanin’ny tany. Hoy manko ireo anakampony hoe: «Tsy tokony hahita izao rano be izao ny mpanjakan’i Asiria, rehefa tonga eto!»


Foana ny fikasana tsy ampy mpanolotsaina; fa tanteraka kosa izany, raha maro ireny.


Ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana; ary tetika voarindra no tokony hoenti-miady.


Tetika voarindra no hitondranao ny ady; ary tolotsaina maro no ahazoam-pandresena.


Iza no naharefy ny Fanahin’ny TOMPO, iza no nahatakatra ny fikasany?


Ry mponin’i Ninive, manangòna rano fa ho avy ny fahirano, hamafiso ny mandanareo; manditia tanimanga ho feta ka raiso ny lasi-biriky.


«Iza no mahalala ny hevitry ny Tompo, ary zovy no mpanolo-tsaina Azy?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra