2Tantara 30:9 - DIEM PROTESTANTA9 Fa raha miverina amin’ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin’ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20119 Fa raha miverina amin’NY TOMPO ianareo dia hahazo famindrampo eo anatrehan’izay nitondra ny rahalahinareo sy ny zanakareo ho babo ka ho tafaverina amin’ity tany ity; fa miantra sy mamindra fo NY TOMPO Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy raha miverina Aminy ianareo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara9 Fa raha miverina amin’ny TOMPO ianareo, dia hahazo famindrampo ireo mpiray firenena sy mpiray fianakaviana aminareo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo, ka dia ho tafaverina indray amin’ity tany ity. Miantra sy mamindrafo tokoa manko ny TOMPO Andriamanitrareo, ka tsy hiambohoany ianareo raha miverina aminy. Jereo ny tokoBaiboly Katolika9 Fa raha miverina amin’i Iaveh ianareo, dia hahita famindram-po amin’ireo nitondra azy ho babo ny rahalahinareo aman-janakareo, ka tsy haviliny tsy hijery anareo ny Tavany, raha miverina aminy ianareo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy9 Fa raha miverina amin’i Jehovah hianareo, dia hahazo famindrampo eo anatrehan’izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin’ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy hianareo. Jereo ny tokoMalagasy Bible9 Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo. Jereo ny toko |
ary nandà tsy nety nanaraka izany sady tsy nahatsiaro ny zava-mahagaga nataonao hanasoavana azy; eny, nanamafy ny hatony izy ka nanao di-doha hiverina amin’ny fanandevozana azy tany Ejipta. Fa Andriamanitra mpamela heloka Ianao, Andriamanitra miantra sy mamindra fo, ary mahari-po sady be hatsarampo, ka dia tsy nafoinao ny razanay.
Nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, izao indrindra no efa nahîko raha mbola tany amin’ny fireneko aho, ka nahatonga ahy handositra hankany Tarsîsy. Fantatro manko fa Ianao dia Andriamanitra miantra sy mamindrafo, tsy mora tezitra sady be fitiavana ary vonon-kiova fanapahan-kevitra ny amin’ny loza.