2Tantara 30:8 - DIEM PROTESTANTA8 Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon’ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin’ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan’ny fahatezerany mirehitra aminareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20118 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo fa atolory NY TOMPO ny tananareo ka midira ao amin’ny fitoerany masina izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa NY TOMPO Andriamanitrareo mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara8 Koa aza manamafy hatoka toy ny nataon’ny razanareo ianareo, fa manomeza toky hanompo ny TOMPO ka tongava ao amin’ny tempoliny izay efa natokany hanan-kasina mandrakizay; eny, manompoa ny TOMPO Andriamanitrareo mba hialan’ny fahatezerany mirehitra aminareo. Jereo ny tokoBaiboly Katolika8 Koa aza manamafy ny hatokareo, toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Iaveh ny tananareo, tongava ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay, ary manompoa an’i Iaveh Andriamanitrareo, mba hialan’ny afon’ny fahatezerany aminareo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon’ny razanareo, fa atolory an’i Jehovah ny tànanareo, ka midira ao amin’ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an’i Jehvoah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. Jereo ny tokoMalagasy Bible8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. Jereo ny toko |
sady nilazany hoe: –Aza ampidirinareo atỳ ireo olona sambo-belona ireo, fa tonga hanan-keloka amin’ny TOMPO isika. Mbola kasainareo hampiana ihany ve ny fahotana amam-pahadisoantsika, na dia efa mavesatra tokoa aza izany ary na dia efa mirehi-pahatezerana amintsika Israelita tavaratra aza Andriamanitra?
Koa aoka ny lehibentsika no hisolo toerana ny fiangonana manontolo; dia ny Israelita rehetra izay efa nanambady vehivavy hafa firenena no aoka hankatỳ amin’ny fotoanandro homena azy, miaraka amin’ny loholona sy mpitsara isan-tanànany avy. Hotontosainay mihitsy izany raharaha izany mandra-pialan’ilay fahatezeran’Andriamanitsika mirehitra amintsika.