Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 30:1 - DIEM PROTESTANTA

1-5 Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin’ny volana faharoa. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin’ny vaninandro manandrify, satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran’i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan’ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan’i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin’i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an’ny foko efraimita sy manasita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Nandefa iraka tany amin’Israely sy i Joda rehetra i Hezekia ary nanoratra taratasy ho amin’i Efraima sy i Manase koa mba hankanesany any amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1-5 Ny mpanjaka Hezekià sy ny manampahefana ary ny mpiangona rehetra tao Jerosalema dia niara-nandinika momba ny tokony hankalazana ny Paska amin’ny volana faharoa. Tsy nisy nahafahana nankalaza izany tamin’ny vaninandro manandrify, satria tsy mbola ampy isa ireo mpisorona nahavita ny fidiovan-tenany; ary ny vahoaka koa tsy mbola vory tao Jerosalema. Sitraky ny mpanjaka sy ny mpiangona rehetra izany eritreritra izany; ka tapaka ny hevitra fa handefasan-teny eran’i Israely manontolo hatrany Beera-Seba ka hatrany Dana mba hahatongavan’ny olona hankalaza ny Paska ao Jerosalema ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Vitsy manko ny olona nankalaza izany araka ny voasoratra. Dia nandefasan’i Hezekià iraka ny faritra rehetra amin’i Israely avaratra sy i Joda mba hanainga ny olona ho tonga ao an-tranon’ny TOMPO any Jerosalema ka hankalaza ny Paska ho fanajana ny TOMPO Andriamanitr’i Israely; nanoratra taratasy fanasana mihitsy aza i Hezekià ho an’ny foko efraimita sy manasita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nandefa iraka ho any amin’i Israely rehetra sy i Jodà i Ezekiasa ary nanoratra taratasy ho any amin’i Efraima sy i Manase koa, hankanesan’izy ireo ao an-tranon’i Iaveh ao Jerosalema, hanao ny Paka ho fankalazana an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Hezekia naniraka tany amin’ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin’ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon’i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Nandefa iraka tany amin’Israely sy i Joda rehetra i Hezekia ary nanoratra taratasy ho amin’i Efraima sy i Manase koa mba hankanesany any amin’ny tranon’NY TOMPO any Jerosalema hitandrina ny Paska* ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 30:1
17 Rohy Ifampitohizana  

Fa tsy nisy Paska nankalazaina toy izany hatramin’ny andro nanapahan’ny mpitsara an’i Israely na tamin’ny andro rehetra nitondran’ny mpanjakan’i Israely sy ny mpanjakan’i Joda.


Ny mpisorona sy ny levita izay nonina tany Israely avaratra manontolo dia niainga avy any amin’ny faritra rehetra nisy azy ka niandany tamin’i Rehabohama.


Na iza na iza anisan’ny foko rehetra tamin’i Israely avaratra, ka nafana fo hitady ny TOMPO Andriamanitr’i Israely, dia nanaraka ireo levita nankany Jerosalema mba hanolotra sorona amin’ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Kanefa nisy lehilahy olon’Andriamanitra tonga tao amin’i Amatsià ka nanao hoe: –Ry andriamanjaka, aza avela hanaraka anao hiantafika ny miaramila israelita, satria tsy miaraka amin’ireo rehetra taranak’i Efraîma ireo ny TOMPO.


dia novonoin’ny mpisorona ireo osilahy ireo, ka ny rany no natolony teo amin’ny alitara araka ny fanao mba ho sorona famelan-keloka ho an’i Israely manontolo; fa nasain’ny mpanjaka natolotra ho an’i Israely manontolo na ny sorona dorana manontolo na ny sorona fanalana ny ota.


Ary faly i Hezekià sy ny vahoaka rehetra noho ny amin’izay navelan’Andriamanitra hotanterahiny, satria tampotampoka izany raharaha izany.


Natao hamono ny biby ho an’ny sakafo Paska ianareo ka midiova tena ary mivonòna hiasa ho an’ny mpiray firenena aminareo mba hanatontosana ny fankalazàna araka ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.


Nandefa taratasy avy tao Jerosalema i Jeremià mpaminany ho an’ireo loholona rehetra sy mpisorona ary mpaminany mbamin’ireo vahoaka rehetra izay nentin’i Nebokadnetsara ho babo avy tao Jerosalema hankany Babilôna. Ny nandefasana io taratasy io


«Hataoko ahoana anefa no hahafoy anao, ry Efraîma, na hamadika anao, ry Israely? Hataoko ahoana koa no hahafoy anao ho tahaka an’i Admà sy i Tsebôima? Onena anao ny foko ato amiko fa indray miontana ny fitiavako.


Fa tsy mamela azy hiverina amin’Andriamaniny ny asa nataon’ny Israelita. Rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka ao aminy ka tsy mahalala ny TOMPO izy.


satria ny taranak’i Jôsefa dia efa foko roa: ny fokon’i Manase sy ny fokon’i Efraîma. Koa tsy nomena zaratany ny levita afa-tsy tanàna honenana sy kijàna manodidina azy ho an’ny biby fiompiny mbamin’ny fananany hafa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra