Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy. Tonga nahery fatratra i Hozià ka niely laza hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nandoa hetra ho an’i Ozia ny Amonita; dia niely hatrany akaiky an’i Ejipta ny lazany satria tonga mahery indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Ireto Mehonita ireto aza dia nandoa hetra ho azy. Tonga nahery fatratra i Hozià ka niely laza hatrany amin’ny sisin-tanin’i Ejipta.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Nitondra fanatitra ho an’i Oziasa ny Amônita, ary niely hatrany akaikin’i Ejipta ny lazany, fa tonga nahery indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an’i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin’i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary ny Amonita nandoa hetra ho an'i Ozia; dia niely ny lazany hatrany akaikin'i Egypta, fa tonga mahery indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Nandoa hetra ho an’i Ozia ny Amonita; dia niely hatrany akaiky an’i Ejipta ny lazany satria tonga mahery indrindra izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:8
14 Rohy Ifampitohizana  

Hataoko firenena lehibe ianao; hitahy anao Aho ka hampahalaza ny anaranao. Hanjary fitahiana ho an’ny hafa ianao.


Niteraka zazalahy ihany koa ilay zandriny, ka ny anarany nataony hoe Bena-Hamy. Izy no razamben’ireto Hamônita ankehitriny ireto.


Rehefa niverina avy tany Siria i Davida, dia nahazo laza tamin’ny nandreseny koa ny Edômita 18 000 teo amin’ny Lohasahan-tsira.


Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.


Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra.


Nisy aza Filistinina sasany nitondra fanomezana sy volafotsy hetra ho an’i Jôsafata; ary nisy koa Arabo nitondra ondry aman’osy, dia ondrilahy 7 700 sy osilahy 7 700.


Taorian’izay, dia avy hiady tamin’i Jôsafata ny Môabita sy ny Hamônita mbamin’ny Mehonita sasany.


Nanao tilikambo tao Jerosalema izy, teo amin’ny Vavahadin’ny Zoro sy teo amin’ny Vavahady mankany an-dohasaha sady nohamafisiny tsara.


Niadian’i Jôtama ny mpanjakan’ny Hamônita ka resiny. Tamin’io taona io no nanomezan’ny Hamônita azy volafotsy telo taonina sy varimbazaha telo taonina ary vary ôrza telo taonina; dia mbola izany ihany koa no naloan’izy ireo tamin’ny taona roa manaraka.


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Dia ho tonga ao akaikin’ny Hamônita ianareo, kanefa aza mandrafy azy na mila ady aminy; fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, satria nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.»


Tonga nanafika ny tanànan’i Jabesy any Gilehada i Nahasy mpanjakan’ny Hamônita ka nanao fahirano azy. Dia hoy ny mponin’i Jabesy taminy: –Manaova fanekena aminay, fa vonon-kanompo anao izahay.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra