Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Feno 16 taona i Hozià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekôlià izay avy ao Jerosalema ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Enina amby folo taona i Ozia raha nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Feno 16 taona i Hozià fony tonga mpanjaka; ary naharitra 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia i Jekôlià izay avy ao Jerosalema ihany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Ary 16 taona i Oziasa fony vao nanjaka, ary 52 taona no nanjakany tao Jerosalema. Ny anaran-dreniny dia Jekelià, avy ao Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Enina ambin’ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Enina ambin'ny folo taona Ozia, fony izy vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Enina amby folo taona i Ozia raha nanomboka nanjaka, ary roa amby dimampolo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ny anaran’ny reniny dia Jekolia, avy any Jerosalema.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:3
8 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany kosa ity rainy, dia i Hozià no nampody ny seranana Elata ho an’ny fanjakan’i Joda sy nanamboatra azy indray.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hozià, tahaka izay rehetra nataon’i Amatsià rainy.


Fanambaràn’i Isaià, zanakalahin’i Amôtsa, ny amin’i Joda sy i Jerosalema. Nanafaran’ny Tompo azy izany, tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama ary i Ahaza sy i Hezekià mpanjakan’i Joda.


Tamin’ny taona nahafatesan’i Hozià mpanjaka no nahitako ny Tompo nipetraka teo amin’ny sezafiandrianana avo dia avo; ary nahafeno ny tempoly ny rebareban’akanjony.


Ny teny izay nampitain’ny TOMPO tamin’i Hôsea zanakalahin’i Beerỳ tamin’ny andron’i Hozià sy i Jôtama sy i Ahaza ary i Hezekià mpanjakan’i Joda, sy tamin’ny andron’i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy sady mpanjakan’i Israely.


Tenin’i Hamôsa izay anankiray tamin’ireo mpiompy tao Tekôa. Roa taona talohan’ny horohorontany, dia fahitana no nahafantarany an’ireo teny manakiana ny fanjakan’i Israely ireo, fony mpanjaka tao Joda i Hozià ary mpanjaka tao Israely i Jerôbohama zanakalahin’i Jôasy.


Dia io lohasaha nampivaky tendrombohitra io no lalana handosiranareo, satria hipaka hatrany Atsala izany. Eny, handositra ianareo, dia tahaka ny razanareo nandositra ny horohorontany tamin’ny andron’i Hozià mpanjakan’i Joda. Ary ho avy ny Tompo Andriamanitro miaraka amin’ireo anjeliny rehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra