Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 26:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Ary i Ozia dia nanamboatra ampinga, lefona, fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Izany miaramila rehetra izany, dia samy nahavononan’i Oziasa ampinga, lefona, satroka fiarovan-doha, akanjo fiarovan-tratra, ary antsamotady fandefasam-bato.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton’antsamotady ho an’ireo miaramila rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Ary Ozia namboatra ampinga sy lefona sy fiarovan-doha sy akanjo fiarovan-tratra sy tsipìka ary vaton'antsamotady ho an'ireo miaramila rehetra ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:14
6 Rohy Ifampitohizana  

ary ny tafika matanjaka nofeheziny kosa dia antokony telonjato nisy vatan-dehilahy 7 500, izay nahery niady tokoa mba homba ny mpanjaka hamely ny fahavalony.


Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin’ny tilikambo sy teny amin’ny zoron’ny manda ary mba handefasana zana-tsipîka na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian’Andriamanitra an’i Hozià, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.


Hasiana vavany eo afovoany mba hidiran’ny loha, ka hotenomina sy hohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.


Afatory ny lasely, ary taingeno ny soavaly! Anaovy ny satro-by fiarovan-doha ka milahara! Arangarangao ny lefona; iakanjoy ny akanjo vy fiarovan-tratra.»


Io tafika benjaminita manontolo io dia nisy miaramila voafantina fitonjato lahy samy kavia avokoa ary afa-nitoraka singam-bolo tamin’ny antsamotady nefa tsy mivaona.


Nandray vato tao anaty kitapony i Davida ary nandefa izany tamin’ny antsamotady ka nahavoa ilay Filistinina teo an-tampon-kandriny. Tafalentika teo ilay vato ka nidaraboka niankohoka tamin’ny tany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra