Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




2Tantara 26:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin’ny tilikambo sy teny amin’ny zoron’ny manda ary mba handefasana zana-tsipîka na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian’Andriamanitra an’i Hozià, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Namorona milina fiadiana lehibe tany Jerosalema koa izy, natao araka ny marika vitan’ny manam-pahaizana manokana izany, ary natao hapetraka eo amin’ny tilikambo sy eo an-tampon’ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa nahagaga tokoa ny nanampian’Andriamanitra azy ka tonga mahery izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Nanamboatra milina tao Jerosalema izy izay noforonina manokana mba hapetraka teny amin’ny tilikambo sy teny amin’ny zoron’ny manda ary mba handefasana zana-tsipîka na vato lehibe. Nahagaga ny nanampian’Andriamanitra an’i Hozià, ka tonga nahery tokoa izy sady niely lavitra ny lazany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Nampanao milina tao Jerosalema koa izy, noforonin’ny tompo-marika anankiray, hapetraka any amin’ny tilikambo sy ny zoro-manda, handefasana zana-tsipìka amam-bato lehibe. Lasa lavitra ny lazany, fa nampiana fatratra izy, ka tonga nahery tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan’ny mahay zavatra, hapetraka eo amin’ny tilikambo sy eo an-tampon’ny mànda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan’i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Ary nanao fiadiana lehibe tany Jerosalema izy, natao araka ny marika vitan'ny mahay zavatra, hapetraka eo amin'ny tilikambo sy eo an-tampon'ny manda mba handefasana zana-tsipìka sy vato lehibe. Ary niely lavitra ny lazan'i Ozia; fa mahagaga ny nanampiana azy, ka tonga mahery tokoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 26:15
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny varimbazaha sy ny vary ôrza ary ny menaka sy ny divay izay nolazainao, ry andriamanjaka, dia aoka hampanaterinao ho atỳ aminay.


Andefaso hazo sedera sy kipreso ary hazo sarobidy avy any Libano koa aho, satria fantatro fa mahay mikapa hazo any Libano ireo mpiasanao; ary indreto ny mpiasako fa hiaraka amin’ny mpiasanao


Isaky ny hiantafika ireo, dia efa nanomanan’i Hozià ampinga sy lefona, satro-by fiarovan-doha sy akanjo vy fiarovan-tratra, ary tsipîka sy vaton’antsamotady.


Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an’ny tenany. Nivadika tamin’ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin’ny alitara fanaovana izany.


hainy ny manao vinavinan’asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo,


Noho izany, indro Aho mbola hanao zava-mahagaga ho an’ity firenena ity, dia zava-mahagaga sy mahazendana; fa ho foana ny fahendren’ny olon-kendriny ary ho takona ny fahaizan’ny manampahaizany.»


«Banjinonareo ny hafa firenena, hoy ny Tompo. Ary aoka ianareo ho talanjona tokoa fa amin’izao andronareo izao no hanaovana asa izay tsy hinoanareo na dia holazaina aminareo aza.


Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.


Saingy ny hazo izay fantatrareo fa tsy fihinam-boa dia ho azonareo kapaina ihany ka hanamboaranareo fitaovana hamelezana ny tanàna izay miady aminareo, mandra-paharesiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra