Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 24:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Tamin’ny lohataona manaraka izany, dia avy ny tafika sirianina hiady tamin’i Jôasy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema ireto fahavalo, ka matiny avokoa ny manampahefana teo amin’ny vahoaka ary nampitondrainy ho any amin’ny mpanjakan’i Damasy ny babo rehetra azo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Nony niherina ny taona dia avy ny miaramilan’i Arama hiady aminy; tonga tany Joda sy Jerosalema izy ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ny olona ary nalefany ho any amin’ny mpanjakan’i Damaskosy ny babony rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Tamin’ny lohataona manaraka izany, dia avy ny tafika sirianina hiady tamin’i Jôasy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema ireto fahavalo, ka matiny avokoa ny manampahefana teo amin’ny vahoaka ary nampitondrainy ho any amin’ny mpanjakan’i Damasy ny babo rehetra azo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Nony niherina ny taona, niakatra hamely an’i Jôasy ny tafiky ny Sirianina ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin’ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin’ny mpanjakan’i Damasa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan’i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin’ny olona, ary nampitondrainy ho any amin’ny mpanjakan’i Damaskosy ny babo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary nony efa niherina ny taona, dia avy ny miaramilan'i Syria hiady taminy; ary tonga tany Joda sy Jerosalema izy, ka matiny avokoa ny mpanapaka rehetra tao amin'ny olona, ary nampitondrainy ho any amin'ny mpanjakan'i Damaskosy ny babo rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:23
9 Rohy Ifampitohizana  

Dia tonga ny Sirianina avy any Damasy mba hamonjy an’i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà; kanefa nahafatesan’i Davida miaramila miisa antokony 22 koa ny Sirianina.


Dia nankany amin’ny mpanjakan’i Israely ilay mpaminany ka nanao taminy hoe: –Mahereza ary diniho tsara izay tokony hataonao, fa amin’ny herintaona dia hiakatra hanafika anao indray ny mpanjakan’i Siria.


Rehefa niherina ny taona, dia nampanaovin’i Bena-Hadada matso ny tafika sirianina ka nentiny hankany Afeka hiady amin’i Israely.


Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana raha avy izay hahasolafaka ny tongony fa antomotra ny andro hahitany loza ary ho avy faingana ny anjara voatendry ho azy.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra