Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 24:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia tao an-Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka nodimandry izy no nalevina satria nanao soa teo amin’i Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tempoliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida tao amin’ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ny Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia tao an-Tanànan’i Davida niaraka tamin’ireo mpanjaka nodimandry izy no nalevina satria nanao soa teo amin’i Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tempoliny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Tao amin’ny mpanjaka, ao an-tanànan’i Davida izy no nalevina, fa soa no nataony tamin’i Israely sy ho an’Andriamanitra mbamin’ny tranony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida tao amin’ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ny Isiraely ary tamin’Andriamanitra sy ny tranony koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary nalevina tao an-Tanànan'i Davida tao amin'ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin'ny Isiraely ary tamin'Andriamanitra sy ny tranony koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Ary nalevina tao an-Tanànan’i Davida tao amin’ny mpanjaka izy, satria nanao soa teo amin’ny Israely ary koa tamin’Andriamanitra sy ny tranony.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 24:16
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa lasa nodimandry any amin’ny razany i Davida, dia nalevina tao an-tanànan’i Davida.


Kanjo tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Jôasy dia tsy mbola voavoatr’ireo mpisorona ihany ny simba tamin’ny tempoly.


Nanan-drahalahy zanak’i Jôsafata koa i Jôrama, dia i Hazarià sy i Jehiela, i Zakarià sy i Hazarià ary i Mikaela sy i Sefatià; izy rehetra ireo no zanakalahin’i Jôsafata, mpanjakan’i Joda.


Feno 32 taona i Jôrama fony tonga mpanjaka; ary naharitra valo taona no nanjakany tao Jerosalema. Koa lasa nodimandry tsy nisy nalahelo azy izy. Nalevina tao an-Tanànan’i Davida ihany i Jôrama, nefa tsy mba tao amin’ny fasan’ireo mpanjaka.


Efa tratrantitra sy ela niainana i Jôaidà vao maty; feno 130 taona izy tamin’ny nahafatesany.


Rehefa maty i Jôiadà, dia avy ireo manampahefana tao Joda ka niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ho fiangaviana azy. Dia nihaino azy ny mpanjaka,


Toy izany no nataon’i Hezekià manerana an’i Joda; ka nanao izay tsara sy mety izy, dia izay hitsiny teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.


«Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra ô! Ka aza kosehina ny soa vitako momba ny tranonao sy momba ny fanompoam-pivavahana.»


Nandre izany ny mpianatr’i Jôhany, ka tonga naka ny fatiny ary nandevina azy.


Ry havako, azoko lazaina mazava tsara ny amin’i Davida razambentsika: efa maty izy ary nalevina sady mbola eto amintsika mandraka androany ny fasany.


Fa tsy manao ny tsy rariny Andriamanitra: tsy hohadinoiny akory ny asanareo sy ny fitiavanareo Azy nasehonareo tamin’ny nanompoanareo sady mbola anompoanareo ny kristianina havanareo.


Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra