13 Ka niasa ny mpiasa, ary tao an-tanany dia nandroso ny fanamboarana ny trano, ka tafaveriny amin’ny toetrany taloha ny tranon’Andriamanitra sy nohamafisiny.
Fa hoy izy anakampony: «I Salômôna zanako mbola kely sady tanora fanahy, ary ny tempoly haorina ho an’ny TOMPO dia tsy maintsy ho lehibe tokoa mba hielezan’ny lazany sy ny voninahiny any amin’ny tany rehetra; koa hovononiko rahateo ny zavatra hoenti-manao azy.» Dia nahavonona betsaka tokoa i Davida fahavelony.
Dia natolotry ny mpanjaka sy i Jôiadà ho an’izay nisahana ny raharaha momba ny tranon’ny TOMPO izany vola izany, ka nanakaramany mpipai-bato sy mpandrafitra ary koa mpanefy vy sy halimo mba hanamboarana sy hanamafisana ny tranon’ny TOMPO.
Nony vitan’ireto mpisahana azy izany asa izany, dia nentiny teo anatrehan’ny mpanjaka sy i Jôiadà ny vola sisa ka nanaovana fanaka ho an’ny tranon’ny TOMPO, dia fanaka hanatontosana fanompoam-pivavahana sy hanoloran-tsorona, tsatokaty ary fanaka hafa volamena sy volafotsy. Ary nandritra ny andro rehetra niainan’i Jôiadà dia nisy mandrakariva sorona dorana manontolo natolotra tao an-tranon’ny TOMPO.
Iza aminareo sisa ireo no mahatsiaro ny tempoly tamin’ny famirapirany taloha? Fa manao ahoana kosa ny fahitànareo azy ankehitriny? Moa tsy zava-poana sisa hitanareo?