2Tantara 23:7 - DIEM PROTESTANTA7 Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin’izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 20117 Ary ny levita dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; koa na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary araho ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara7 Ianareo levita hafa kosa dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitam-piadiana avy, ary koa hanaraka azy amin’izay toerana halehany; fa na iza na iza miditra ao an-tempoly, dia vonoy ho faty. Jereo ny tokoBaiboly Katolika7 Ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany voatsoaka avy, ka raha nisy miditra ao an-trano vonoy, ary na miditra na mivoaka ny mpanjaka dia hanotrona azy ianareo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy7 Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy. Jereo ny tokoMalagasy Bible7 Ary ny Levita hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; ka na iza na iza miditra ao an-trano dia Vonoy, ary arahonareo ny mpanjaka, na miditra na mivoaka izy. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache7 Ary ny levita dia hanemitra manodidina ny mpanjaka, samy mitana ny fiadiany avy; koa na iza na iza miditra ao an-trano dia vonoy, ary araho ny mpanjaka, na aiza na aiza alehany. Jereo ny toko |