Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe: –Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Vory tao ny olona rehetra dia nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary hoy i Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’NY TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Ary ny olona rehetra vory teo dia nanao fanekempihavanana tao an-tranon’Andriamanitra ny amin’ny mpanjaka, sady nilazan’i Jôiadà hoe: –Indro i Jôasy zanakalahin’ny mpanjaka. Izy no tokony hanjaka araka ny nampanantenain’ny TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra avokoa ny fiangonana rehetra teo. Hoy i Jôiadà tamin’izy ireo: «Indro hanjaka ny zanaky ny mpanjaka araka ny voalazan’i Iaveh, ny amin’ny taranak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’i Jehovah ny amin’ny taranak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Ary ny olona rehetra vory tao dia nanao fanekena tamin'ny mpanjaka tao an-tranon'Andriamanitra. Ary hoy Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain'i Jehovah ny amin'ny taranak'i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Vory tao ny olona rehetra dia nanao fanekena tamin’ny mpanjaka tao amin’ny tranon’Andriamanitra. Ary hoy i Joiada taminy: Indro, ny zanaky ny mpanjaka no hanjaka araka ny efa nolazain’NY TOMPO ny amin’ny taranak’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:3
14 Rohy Ifampitohizana  

Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ireo loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida mpanjaka fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely.


Ary rehefa ho tapitra ny andronao ka hodimandry any amin’ireo razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ka haoriko mafy ny fanjakany.


Ho azo antoka hitohy mandrakizay any aorianao ny taranakao sy ny fanjakanao, ary ny sezafiandriananao tsy ho voahozongozona mandrakizay.› »


Ary hotanterahin’ny TOMPO ilay fampanantenana izay nambarany tamiko hoe: «Raha tandreman’ireo taranakao ny fitondrantenany ka amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo no izorany eo anatrehako amim-pahitsiana, dia tsy ho diso zanakalahy handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao.»


dia hampaharitra mandrakizay ny sezafiandrianam-panjakanao amin’i Israely Aho, araka ny nampanantenaiko an’i Davida rainao ka nilazako fa tsy ho diso taranaka handimby izy eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.


Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.


Tonga tao amin’ny mpanjaka tao Hebrôna avokoa ny loholon’i Israely. Ary tao Hebrôna dia nanaovan’i Davida fanekempihavanana teo anatrehan’ny TOMPO ry zareo, ka nanosotra azy ho mpanjakan’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO nampilazainy an’i Samoela.


Kanefa ny TOMPO tsy te handringana ny taranak’i Davida noho ny fanekempihavanana nataony tamin’i Davida sy ny nilazany fa homeny jiro mandrakizay izy sy ny taranany.


Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho vahoakan’ny TOMPO.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely ô, mba tanteraho hanambinana an’i Davida raiko sady mpanomponao ilay fampanantenana nataonao taminy, fony Ianao nilaza hoe: ‹Raha mitandrina fitondrantena ireo taranakao ka mizotra araka ny lalànako tahaka ny nataonao teo anatrehako, dia tsy ho diso zanakalahy amin’ireo ianao noho ny amiko, dia zanakalahy izay hanjaka handimby anao eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely.›


dia hampaharitra ny sezafiandrianam-panjakanao Aho, araka ny fanekempihavanana nataoko tamin’i Davida rainao ka nilazako hoe: «Tsy ho diso taranaka handimby ianao mba hifehy an’i Israely.»


Hitahirizako mandrakizay ny fitiavako izy ary hitazonako izao fanekempihavanako izao:


Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny; tamin’ny fahamasinako no nanaovako izany fa tsy hamitaka velively an’i Davida Aho:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra