Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 23:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Ary i Joiada dia nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho olon’NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana ny olona rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho vahoakan’ny TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Nampanaovin’i Jôiadà fanekena ny vahoaka sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany, fa tsy maintsy ho vahoakan’i Iaveh izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin’ny tenany mba ho olon’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Ary Joiada nampanao fanekena ny vahoaka rehetra sy ny mpanjaka mbamin'ny tenany mba ho olon'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 23:16
15 Rohy Ifampitohizana  

Nampanaovin’i Jôiadà fanekempihavanana tamin’ny TOMPO ny mpanjaka sy ny olona teo mba ho vahoakan’ny TOMPO izy rehetra; ary dia nasainy nanao fifanekena koa ny mpanjaka sy ny olona.


Ary nanao ny fanekempihavanana ny besinimaro fa samy vonon-kitady ny TOMPO Andriamanitry ny razany amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo;


Ary nianiana tamin’ny TOMPO izy ireo, ka nampombainy horakoraka sy fihobiana ary feon-trompetra sy anjomara izany.


Nifalian’i Joda tsivakivolo io fianianana io, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany azy ary tamin’ny finiavany manontolo no nitadiavany ny TOMPO; ka dia nahita Azy tokoa ireo sady nomeny fiadanana tamin’ny sisin-tany manodidina.


Koa nanapa-kevitra aho ny hanao fanekempihavanana amin’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mba hiala amintsika ny fahatezerany mirehitra.


Aoka hifanaiky amin’Ilay Andriamanitsika izahay fa handroaka mbamin-janany ireo vehivavy rehetra hafa firenena ireo. Harahinay ny anatra nataonao sy naroson’izay fatra-panaja ny didin’Andriamanitra; aoka hatao araka ny lalànany tokoa izany!


Ny anankiray hanao hoe: ‹An’ny TOMPO aho›; ny iray hafa te hitondra ny anaran’i Jakôba. Ny anankiray kosa dia eo amin’ny sandriny no hanoratany hoe: ‹Fananan’ny TOMPO› sady ny anaran’i Israely no hireharehany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra