Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 21:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Raha vao nandray an-tanana ny fanjakàn-drainy i Jôrama, dia nanamafy ny fahefàny ka namono nahafaty tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nefa raha vao nanjaka tamin’ny fanjakan’ny rainy i Jehorama dia nitombo hery ka namono tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra mbamin’ny mpanapaka sasany tamin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Raha vao nandray an-tanana ny fanjakàn-drainy i Jôrama, dia nanamafy ny fahefàny ka namono nahafaty tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra sy ny mpitondra sasany teo amin’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Nanao izay hahazoany an-tanana ny fanjakan-drainy i Jôrama, ary rehefa nihanahery izy, dia novonoiny tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra, mbamin’ny filohany sasany tamin’i Israely koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary raha vao nanjaka tamin’ny fanjakan’ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin’ny mpanapaka sasany tamin’ny Isiraely koa tamin’ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary raha vao nanjaka tamin'ny fanjakan'ny rainy Jehorama, dia nitombo hery izy ka namono ny rahalahiny rehetra mbamin'ny mpanapaka sasany tamin'ny Isiraely koa tamin'ny sabatra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Nefa raha vao nanjaka tamin’ny fanjakan’ny rainy i Jehorama dia nitombo hery ka namono tamin’ny sabatra ny rahalahiny rehetra mbamin’ny mpanapaka sasany tamin’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 21:4
10 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: –Andeha isika ho any an-tsaha. Nony mby tany an-tsaha izy ireo, dia niantoraka teny amin’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono nahafaty azy.


Koa etsy hotoroako hevitra ianao mba hamonjena aina ny tenanao sy i Salômôna zanakao.


fa nanaraka ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely avaratra ka nampanompo sampy ny Jodeanina sy ny mponin’i Jerosalema tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba; novoinao ho faty aza ny rahalahinao tera-drainao, izay tsara noho ianao;


niakatra tany Joda ireo ka nisesika tao, ary namabo ny fananana rehetra izay tao an-dapan’ny mpanjaka mbamin’ny zanany sy ny vadiny koa aza. Tsy nisy zanany tavela intsony teo aminy, afa-tsy i Jôahaza faralahiny ihany.


Rehefa hitan’i Hatalià renin’i Ahazià fa maty ity zanany lahy, dia niroso nandringana ny zazalahy rehetra tamin’ny teraky ny andriamanjakan’i Joda izy.


Dia nampiharin’i Jehò tamin’ny taranak’i Ahaba ny famalian’Andriamanitra; hitany koa ireo manampahefana jodeanina sy ireo zana-drahalahin’i Ahazià izay samy nanompo an’i Ahazià, ka novonoiny ho faty.


Rehefa nohamafisin’i Amatsià ny fahefàm-panjakàny, dia nasainy novonoina ho faty ireo manamboninahitra izay nahafaty an’i Jôasy mpanjaka rainy.


Fa tsy hanao tahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton’ny namonoan’i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan’i Kaina, fa marina kosa ny an’ny rahalahiny.


Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hôfrà i Abimelèka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jôtama, ilay kely indrindra tamin’ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra