12 Ry Andriamanitra ô, tsy hamoaka fitsarana an’ireo va Ianao? Fa izahay dia tsy manan-kery eo anatrehan’ireo vahoaka be tonga hamely anay ireo, ka tsy hitanay izay hataonay, fa Ianao no itodihan’ny masonay!»
Hoy ihany ravehivavy taminy: –Ry andriamanjaka ô, mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba tsy hampian’ny mpamaly faty intsony ny fandripahana, fandrao matiny ny zanako. Ka novalian’ny mpanjaka hoe: –Velona ny TOMPO ka mianiana aminao aho fa tsy hisy hanohintohina na dia ny singam-bolon’ny zanakao aza.
Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan’i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambarànao ampahibemaso ny anaran’izay hipetraka handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.
Ny ampitso, raha nifoha maraina ny mpanompon’i Elisà ka nivoaka ny tanàna, dia nahita ireo miaramila mbamin’ny soavaly sy kalesy nanodidina ny tanàna, ary niteny tamin’i Elisà hoe: –Loza ity, tompoko! Ahoana no hataontsika?
Hitsara ny firenena maro Izy, ary hampanaiky ny vahoaka rehetra ka hanefy ny sabany ho angady ireny, ary hanao ny lefony ho fanetezam-boaloboka sady tsy hianatra hiady intsony.
Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.
Raha izaho aloha dia tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy amin’ny iadianao amiko. Ny TOMPO mpitsara anie hitsara ny Israelita sy ny Hamônita anio!
Dia hoy izany i Jônatàna tamin’ny mpanompony: –Andeha hotafihintsika ny tobin’ireo tsy mifora ireo, sao mba homba antsika ihany ny TOMPO, fa tsy misy manakana AZY tsy hanome antsika ny fandresena, na maro isika na vitsy.