Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 18:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Dia hoy i Mikaia: Hitako fa indreny, ny Israely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy NY TOMPO: Tsy manan-tompo ireto ka aoka izy samy hody soa amantsara any an-tranony avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ka hoy ny navalin’i Mikea: «Indro i Israely rehetra, hitako miely eny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ka hoy i Iaveh: Tsy manan-tompo ireo olona ireo, ka aoka samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Dia hoy Mikaia: Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 18:16
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary ankehitriny, mahereza sy matanjaha; fa efa maty i Saoly tomponareo, ka izaho no natokan’ny vahoakan’i Joda ho mpanjaka eo aminy.»


Fahiny, fony mbola nanjaka taminay aza i Saoly, dia ianao no mpitarika ny miaramilan’i Israely tamin’ny ady; ary ny TOMPO efa nilaza taminao hoe: «Ianao no hitondra ilay Israely vahoakako, ary ianao no ho filohany.»


Dia hoy ny navalin’i Mikaià: –Hitako fa ny tafik’i Israely manontolo dia niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry. Ary ny TOMPO niteny hoe: «Tsy mana-mpifehy intsony ireo miaramila ireo, ka aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.»


Vantany vao voarainareo ity taratasy ity, dia jereo izay tsara sy mendrika indrindra amin’ny fianakavian’ny tomponareo ka apetraho eo amin’ny sezafiandrianan-drainy, ary miadia ho an’ny fianakavian’ny tomponareo.»


Fa hoy indray ny mpanjaka taminy: –Impiry moa no hampianianako anao mba tsy hilaza amiko afa-tsy ny marina ihany amin’ny anaran’ny TOMPO?


Dia hoy ny mpanjakan’i Israely tamin’i Jôsafata: –Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?


Velona Izaho Tompo ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian’ondriko ka lasan’ny mpangalatra sy zary rembin’ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy.


Hataoko tonga korontam-bato ireo tanànanao, ry Edôma, ary ho lao ny taninao; ka amin’izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.


Fa zava-poana no tenenin’ny sampy. Ary lainga no hany hitan’ny mpisikidy; tsy misy dikany ny nofy tantarainy, feno fitaka ny fampiononana entiny. Izany no nahavoatery ny vahoaka handeha, ka ory tahaka ny andianondry tsy misy mpiandry.


Dia hoy ny teny hentitry ny Tompon’izao rehetra izao hoe: «Ry sabatra, mifohaza hamely ity mpiandry sady lehilahy namako ity Asio ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry; ary hiverina hamely hatramin’ny madinika Aho.»


sy hitarika azy amin’ny toe-javatra rehetra, mba tsy ho toy ny ondry tsy misy mpiandry ny fiangonanao.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.


Onena Izy nahita ny vahoaka, satria niferinaina ireo sady nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.


Rehefa niala tao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka maro; ka onena azy ireo ny fony satria tahaka ny ondry tsy misy mpiandry ireo, ary dia zavatra maro no nampianariny azy ireo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra