Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 17:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 fa NY TOMPO, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nandehanany, fa tsy mba araka ny fanaon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Nitady ny Andriamanitry ny razany kosa izy, ka nizotra araka ny didiny fa tsy araka ny fanaon’ny Israelita tavaratra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 fa Andriamanitry ny rainy no nokatsahiny, ary narahiny ny didiny fa tsy naka tahaka ny nataon’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon’ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 fa Jehovah, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nalehany, fa tsy mba araka ny fanaon'ny Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 fa NY TOMPO, Andriamanitry ny rainy, kosa no notadiaviny, ary araka ny didiny no nandehanany, fa tsy mba araka ny fanaon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 17:4
21 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitady hevitra i Jerôbohama mpanjaka ka nanao ombilahikely volamena roa, ary nilaza tamin’ny vahoaka hoe: –Efa be izay niakaranareo matetika tany Jerosalema izay, ry Israely ô, koa indreo ny andriamanitrareo izay nitondra anareo niala tany Ejipta.


Nanosika ny olona hanota izany, fa maro ireo no tonga nanaraka ny iray tamin’ny sarivongana hatrany Dana.


Tamin’ny andro faha-15 amin’ny volana fahavalo dia nanatitra sorona teo amin’ny alitara izay naoriny tao Betela i Jerôbohama. Izy ihany no tompon-tsafidy ny amin’io datin’andro io. Ary nataony andro fety ho an’ny Israelita tavaratra izany ka niakatra teo amin’ny alitara mihitsy i Jerôbohama mba handoro ny sorona hanetona.


Notiavin’i Salômôna ny TOMPO ka ny toromarik’i Davida rainy no nizorany; nefa izy koa mbola nanao sorona sy nandoro zava-manitra teny amin’ny toeram-panasinana.


Ianao kosa, raha mizotra eo anatrehako tahaka ny nizoran’i Davida rainao tamin’ny fo tsotra sy mahitsy, ka manao araka izay rehetra andidiako anao sy mitandrina ny lalàna amam-pitsipiko,


Na dia i Joda koa aza tsy nitandrina ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, fa nanaraka ny fomba najoron’ny Israelita tavaratra.


Ny toetran’ireo mpanjakan’i Israely no narahiny, dia tahaka ny fanaon’ny taranak’i Ahaba, satria nanambady ny zanakavavin’i Ahaba izy ka nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO.


sady niteny tamin’ny Jodeanina hoe: –Ndeha hohamafisintsika ireto tanàna ireto ka hasiantsika manda manodidina ary koa tilikambo sy vavahady mafy hidy, satria mbola eo ambany fitondrantsika ny tany. Ny TOMPO Andriamanitsika manko no efa notadiavintsika; eny, nitady Azy isika ka nomeny fiadanana amin’ny sisin-tany manodidina. Dia nohamafisin’ny Jodeanina ireo tanàna ireo ka tontosa tsara.


Niaraka tamin’i Jôsafata ny TOMPO, satria nanaraka ny toetran’i Davida razany fahiny izy fa tsy mba nitady ireo andriamanitra Bahala.


Ary nisy taratasy avy tamin’i Elià mpaminany tonga tao amin’i Jôrama nanambara hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Davida razanao: Tsy nanaraka ny toetran’i Jôsafata rainao na ny an’i Asà mpanjakan’i Joda ianao,


Nampitady an’i Ahazià izy ka tany Samaria niereny no nisy nahita azy; dia nentina ho any amin’i Jehò izy ary novonoina ho faty. Nalevina ihany anefa izy, satria hoy ny olona hoe: «Taranak’i Jôsafata, ilay nitady ny TOMPO tamin’ny fony manontolo, ity.» Tamin’izay dia tsy mbola nisy afaka nitana fanjakana ny terak’i Ahazià.


Nitombo hery hatrany i Jôtama noho izy tsara fitondrantena teo anatrehan’ny TOMPO Andriamaniny.


Ary nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Hezekià, tahaka izay rehetra nataon’i Davida razambeny.


Nanao izay mahitsy eo imason’ny TOMPO i Jôsià; ka narahiny ny toetran’i Davida razambeny, fa tsy mba nivily hiala tamin’izany izy.


Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»


Olo-marina teo anatrehan’Andriamanitra izy mivady ary nanaraka ny didy amam-pitsipiky ny Tompo an-tsakany sy an-davany.


nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an’Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin’ny Fanjakàny sy ny voninahiny.


Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin’Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin’ny anaran’i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra