Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 13:21 - DIEM PROTESTANTA

21 I Abià kosa nitombo fahefana; ary nanam-bady 14 izy, ka zazalahy 22 sy zazavavy 16 no naterany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Ary nitombo hery i Abia; nanana vady efatra amby folo izy ka niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina amby folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 I Abià kosa nitombo fahefana; ary nanam-bady 14 izy, ka zazalahy 22 sy zazavavy 16 no naterany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 I Abià kosa nitombo hery, nanam-bady 14 izy, ary niteraka lahy 22 sy vavy 16.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin’ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin’ny folo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Ary nitombo hery i Abia; nanana vady efatra amby folo izy ka niteraka lahy roa amby roapolo sy vavy enina amby folo.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 13:21
8 Rohy Ifampitohizana  

Ny sisa amin’ny tantaran’i Abiama ary koa ny zavatra hafa rehetra nataony dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda. Ary nisy ady hatrany teo amin’i Abiama sy i Jerôbohama.


I Mahekà, zanakavavin’i Absalôma, dia notiavin’i Rehabohama mihoatra noho ny vadiny sy ny vaditsidranony rehetra; fa vady 18 ary vaditsidrano enimpolo no nananany, ka niterahany zazalahy 28 sy zazavavy enimpolo.


Tamin’ny andron’i Abià, dia tsy nanan-kery intsony i Jerôbohama; ary namely azy ny TOMPO, ka maty izy.


Ny sisa amin’ny tantaran’i Abià ary koa ny zava-bitany sy nataony dia efa voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Tsiahin’i Hidao mpaminany.


Nanan-janaka telopolo lahy izay nitaingina boriky telopolo sady nanana toerana telopolo tao amin’ny faritanin’i Gilehada; ary mandraka ankehitriny dia antsoina hoe Havôta-Jaîro ireny toerana ireny.


Ary tonga tao an-tranon-drainy tao Hôfrà i Abimelèka ka namono ny rahalahiny fitopolo lahy zanak’i Jerobahala teo ambony vatolampy iray ihany. I Jôtama, ilay kely indrindra tamin’ireo ihany, no sisa afaka satria niery izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra