Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 11:4 - DIEM PROTESTANTA

4 fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an’i Jerôbohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo fa samia mody any an-tranony avy ianareo; satria avy Amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 fa izao no lazain’ny TOMPO: «Aza mandeha hiady amin’ny mpiray firenena aminareo; samia mody any an-tranony avy ianareo, satria Izaho no nahatonga izao zavatra izao.» Dia nankatoavin’ny olona izany tenin’ny TOMPO izany, ka samy lasa nody izy fa tsy nandeha hamely an’i Jerôbohama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Izao no lazain’i Iaveh: Aza miakatra ary aza miady amin’ny rahalahinareo! Samia mody any an-tranony avy ianareo, satria avy amiko no nahatonga izao zavatra izao». Dia nihaino ny tenin’i Iaveh izy ireo, ka nody fa tsy nandeha hiady tamin’i Jerôbôama.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Izao no lazain’i Jehovah: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy hianareo; fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Izao no lazain'i Jehovah: Aza mandeha hiady amin'ny rahalahinareo, fa samia mody any an-tranony avy ianareo, fa avy amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin'i Jehovah ny olona, ka dia samy lasa nody, fa tsy nandeha hamely an'i Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Izao no lazain’NY TOMPO: Aza mandeha hiady amin’ny rahalahinareo fa samia mody any an-tranony avy ianareo; satria avy Amiko izao zavatra izao. Ary nihaino ny tenin’NY TOMPO ny olona ka samy lasa nody fa tsy nandeha hamely an’i Jeroboama.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 11:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Abrama tamin’i Lôta: –Aoka tsy hisy fifandirana amintsika na amin’ny mpiandry ireo biby fiompintsika, satria olona mpihavana isika.


Nikendry hanisy ratsy ahy ianareo fa Andriamanitra kosa nanova izany ratsy izany ho soa mba hamonjeny vahoaka marobe araka izao hitanareo ankehitriny izao.


Ary niantso mafy an’i Jôaba i Abinera hoe: –Handripaka tsy hisy farany ve ny sabatra? Tsy mba fantatrao ve fa hampalahelo ny ho vokatr’izany? Koa mandra-pahoviana no hilazanao ny olonao hampitsahatra izao fanenjehana ifamonoan’ny mpirahalahy izao?


Rehefa nilentika ny masoandro, dia nanako eran’ny toby izao antsoantso izao hoe: –Samia mody any an-tanànany sy any amin’ny taniny avy,


–Ambarao amin’i Rehabohama, zanakalahin’i Salômôna sady mpanjakan’i Joda, ary koa amin’ny Israelita rehetra ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna,


fa ny fikasan’ny TOMPO no maharitra mandrakizay, ny hevitry ny fony manerana ny taranaka mifandimby.


Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.


Ny ampitson’iny indray, dia Israelita roa lahy niady no zava-niseho tamin’i Mosesy. Tiany hampihavanina izy roa lahy ka nanariny hoe: «Ry izy roa lahy, mpirahalahy ianareo ka nahoana no mifamely toy izao?»


Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin’i Kristy.


Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra