2Tantara 11:14 - DIEM PROTESTANTA14 Fa nandao tanim-bilona amam-pananana ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, satria i Jerôbohama sy ireo zanany lahy efa nisakana azy tsy hanao ny raharaham-pisoronany ho an’ny TOMPO; Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201114 Nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, fa efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’NY TOMPO i Jeroboama sy ny zanany, Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara14 Fa nandao tanim-bilona amam-pananana ny levita ka nankany Joda sy Jerosalema, satria i Jerôbohama sy ireo zanany lahy efa nisakana azy tsy hanao ny raharaham-pisoronany ho an’ny TOMPO; Jereo ny tokoBaiboly Katolika14 Fa nandalo ny tanim-piandrasam-biby sy ny fananany ny taranak’i Levì, ka nankany Jodà sy i Jerosalema, satria ny zanany dia nesorin’i Jerôbôama tamin’ny raharaham-pisoronana fankalazana an’i Iaveh, Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an’i Jehovah, Jereo ny tokoMalagasy Bible14 Fa ny Levita nandao ny tanànany sy ny tany manodidina azy ka nankany Joda sy Jerosalema (fa Jeroboama sy ny zanany efa nanaisotra azy tsy ho mpisorona ho an'i Jehovah, Jereo ny toko |
Noroahinareo ny tena mpisoron’ny TOMPO, dia ny taranak’i Aharôna ary koa ny levita; fa nanendry mpisorona ho anareo kosa ianareo, tahaka ny fanaon’ny firenena any amin’ny tany hafa. Na iza na iza nitondra ombilahy iray sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia tonga mpisoron’ireny andriamani-tsiizy ireny.