Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 11:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Nohamafisin’i Rehabohama ny mandan’ireo tanàna ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao, nasiany tahirin-kanina sy diloilo ary divay koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Nohamafisin’i Rehabohama ny mandan’ireo tanàna ireo sady nametrahany mpifehy ary koa sakafo sy menaka aman-divay tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Namboariny ny trano mimanda ho afa-manohana, dia nanisy mpanapaka sy trano fitahirizan-kanina aman-diloilo sy divay tao aminy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao aminy ary nanisy hanina sy diloilo ary divay betsaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Nanamafy ny tanàna mimanda izy sady nametraka mpanapaka tao, nasiany tahirin-kanina sy diloilo ary divay koa.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 11:11
7 Rohy Ifampitohizana  

mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna.


Isan-tanàna dia nasiany ampinga lehibe sy lefona avokoa. Ny nanamafisany tsara ireo tanàna ireo no nitazonan’i Rehabohama ny faritr’i Joda sy i Benjamîna ho azy.


Kinga i Rehabohama ka nanaparitaka ny zanakalahiny hafa rehetra eran’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna, dia tany amin’ny tanànamimanda samihafa; nomeny sakafo betsaka ireo sady nitadiavany vady maro.


Nandroso hery hatrany i Jôsafata ka nanao manda fiarovana sy tanàna fitahirizam-bokatra manerana an’i Joda.


Ireo no vondro-miaramila nivonon-kanompo ny mpanjaka, ankoatra izay napetrany tany amin’ny tanànamimanda rehetra eran’i Joda manontolo.


«Ianao, ry ilay taranak’olombelona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: ‹I Joda sy ny Israelita amin’io fanjakana io.› Avy eo, makà tapa-kazo iray hafa ka asio soratra hoe: ‹I Jôsefa (na Efraîma) sy ny Israelita amin’io fanjakana io.›


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra