Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 10:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Ka izao kosa no navalin’ireo tovolahy indray nihira taminy azy: «Izao no lazao amin’ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan’idada ny ankikeliko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany,–izao no lazao aminy Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ny raiko;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko;

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 10:10
14 Rohy Ifampitohizana  

Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.


Raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.»


ka nanontaniany hoe: –Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy?


Harem-pahalalana no voaangon’ny hendry; fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin’ny adala.


Ny malina rehetra dia miasa amim-pandinihana; fa ny adala kosa mampiseho hafokana.


Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy, fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.


Anaka, raha mitsahatra tsy mandray anatra ianao, dia hanadino faingana izay nianaranao.


Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.


Ny olona tia tena loatra no manetsika ady; fa izay matoky ny TOMPO kosa ho tretrika.


Ny avonavon’ny olona no hampietry azy; fa ny manetry tena no hahazo haja.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra