Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Tantara 1:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin’ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary noentiny niakatra avy tany Ejipta ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray, izay sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly dia dimampolo amby zato avy; toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny kalesy fitondra miady anankiray nentin’ny mpandranto niakatra avy tany Ejipta dia sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia nitentina sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 volafotsy 600 sikla no fahazoana mampakatra sy mamoaka kalesy iray avy tany Ejipta, ary 150 sikla no fahazoana soavaly iray. Fa torak’izany ihany koa no nitondran’izy ireo ho an’ny mpanjakan’ny Heteanina rehetra sy ny mpanjakan’i Siria.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary ny vidin’ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Syriana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary ny vidin'ny kalesy iray nentiny niakatra avy tany Egypta dia sekely volafotsy enin-jato, ary ny soavaly dia dimam-polo amby zato avy; ary toy izany koa no nitondrany ho an'ny mpanjakan'ny Hetita sy ny mpanjakan'ny Syriana. Ary Solomona nilaza fa hanao trano ho an'ny anaran'i Jehovah sy lapa ho an'ny tenany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary noentiny niakatra avy tany Ejipta ny vidin’ny kalesy fitondra miady iray, izay sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly dia dimampolo amby zato avy; toy izany koa no nitondrany ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ny mpanjakan’ny Arameana.

Jereo ny toko dika mitovy




2Tantara 1:17
6 Rohy Ifampitohizana  

Ny kalesy fitondra miady anankiray avy tany Ejipta dia nitentina sekela volafotsy eninjato, ary ny soavaly anankiray kosa dia sekela volafotsy 150; toy izany vidiny izany koa no nitondran’ireo mpandranto ireo ho an’ny mpanjakan’ny Hetita sy ho an’ny mpanjakan’i Siria.


Saingy tsy nialan’i Jehò ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita, dia ny fivavahana amin’ny ombilahikely volamena tao Betela sy tao Dana.


Ny soavalin’i Salômôna dia avy tany Ejipta sy Silisia; ireo mpandranton’ny mpanjaka no nividy azy tany.


Ary i Salômôna nandray mpiasa 70 000 ho mpitondra entana, 80 000 ho mpipai-bato eny an-tendrombohitra, ary 3 600 ho mpifehy azy ireo.


Ny soavalin’i Salômôna kosa dia avy any Ejipta na avy any amin’ny tany hafa.


Amiko ianao, rahavako, dia meva tahaka ny soavaly mpanao matso izay mitarika ny kalesin’ny Farao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra