Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 6:3 - DIEM PROTESTANTA

3 Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin’ny fivavahantsika,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, ilay an’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran’i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin’ny fivavahantsika,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 Raha misy mampianatra zavatra hafa noho izany, ka tsy manaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tompontsika, sy ny teny fampianarana mampanaja an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

3 RAHA misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an’i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, dia ny an'i Jesosy Kristy Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an'Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

3 Raha misy olona manao fampianarana hafa noho izany ka tsy manaiky ny teny tsy misy kilema, ilay an’i Jesosy Kristy* Tompontsika, sy ny fampianarana izay mahatonga ny toe-panahy araka an’Andriamanitra,

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 6:3
19 Rohy Ifampitohizana  

Ny teny mamy dia mitondra aina; fa ny vava ratsy kosa mandrera-po.


Ka novalian’ireo hoe: –An’ny amperôra rômanina! Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Raha izany àry, dia avereno amin’ny amperôra rômanina izay an’ny amperôra rômanina ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.


sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.


Manainga anareo aho, ry havana, hitandrin-tena amin’ireo mahatonga fisarahana sy mitaona amin’ny ratsy ka manohitra ny fampianarana noraisinareo; halaviro ireny.


Koa izay mandà izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.


ny mpijangajanga, ny mpifampila samy lehilahy, ny mpivarotra olona, ny mpandainga sy mpianian-tsy to, ary izay manao zavatra mifanohitra amin’ny fampianarana tsy misy tomika.


Araka ny nangatahiko taminao fony aho nankany Masedônia, dia aoka hitoetra ao Efeso ianao. Fa misy olona sasany manao fampianaran-diso ao, ka tsy maintsy raranao mba tsy hanao izany.


Misy sasantsasany efa nivaona tamin’izany, ka very lalana ary niafara any amin’ny taria poaka àty.


Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin’ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan’ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho mpanompon’Andriamanitra sy apôstôlin’i Jesoa Kristy. Nirahina aho hampandroso ny finoan’ireo olom-boafidin’Andriamanitra ary hampahalala azy ny fampianarana marim-pototra mifanaraka amin’ny fivavahantsika,


ary tokony hitana mafy ny hafatra azo antoka mifanaraka amin’ny foto-pampianarana. Amin’izay, ny mpitondra Fiangonana dia ho afaka hampirisika momba ny fampianarana tsy misy tomika sady handresy lahatra ireo mpanohitra izany.


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra