Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 6:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Ny mpanompo, manana tompo kristianina, dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy satria hoe rahalahiny ihany; fa vao mainka tokony hanompo azy tsara aza, satria mpino malalany no anaovany soa. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Izay manana tompo mpino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria ilay mandray ny soa ataony dia mpino sady malala. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ananaro.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Ny mpanompo, manana tompo kristianina, dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy satria hoe rahalahiny ihany; fa vao mainka tokony hanompo azy tsara aza, satria mpino malalany no anaovany soa. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Ary raha mpino no tompon’izy ireo, dia havana iray finoana ihany ka aoka tsy hoesoiny, fa vao mainka hotompoiny tsaratsara kokoa aza, satria tsy iza fa havana iray finoana malalany ihany no tompoiny. Tokony hampianarina sy hatorotoro tsara ny olona izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary izay manana tompo mino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy, satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy, satria mino sy malala ilay mpandray ny soa atao. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Izay manana tompo mpino dia aoka tsy hanao tsinontsinona azy satria rahalahy izy; fa vao mainka tokony hotompoiny aza izy satria ilay mandray ny soa ataony dia mpino sady malala. Izany zavatra izany no ampianaro sy ananaro. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ananaro.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 6:2
31 Rohy Ifampitohizana  

Nitangorona nanodidina an’i Mosesy sy i Aharôna izy ireo ka nanao taminy hoe: –Ampy ho anareo izay, fa masina avokoa ny olona rehetra ao amin’ny fiangonana sady eo afovoany ny TOMPO. Nahoana ianareo no mihevi-tena ho ambonin’ny mambra hafa ao amin’ny fiangonan’ny TOMPO?


Ianareo kosa, aza mba mety hantsoina hoe «Rabỳ» na hoe Mpampianatra, satria iray ihany no Mpampianatra anareo ary mpiray tampo avokoa ianareo rehetra.


Dia hovalian’ny Mpanjaka hoe: «Lazaiko marina aminareo fa araka izay nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto havako madinika indrindra ireto no nataonareo tamiko.»


–Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; satria na ny anankiray ho hàlany ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombàny ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy hainareo atao ny sady manompo an’Andriamanitra no manompo ny harena.


Andro vitsivitsy taorian’izany nony tafavory ny mpino miisa tokony ho 120, dia nitsangana teo afovoan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe:


Ny vahoaka Israely dia toy ny hazo ôliva voakolokolo, izay nanesorana rantsana sasantsasany. Fa ianao hafa firenena kosa dia toy ny rantsan’ny hazo ôliva dia, izay natao grefy amin’ny hazo ôliva voakolokolo, ho solon’ireo rantsana nesorina ireo; ary manjary iombonanao ilay fototra feno tsiron-tany ao amin’ny hazo ôliva voakolokolo.


Satria izay nofidin’Andriamanitra mialoha dia voatendry rahateo koa hitovy endrika amin’ilay Zanany, mba hahatonga ny Zanany ho lahimatoa manan-jandry maro.


Fa ho an’izay tafaray amin’i Kristy Jesoa, tsy dia ny hoe maha voafora na tsy maha voafora no tena zavatra fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana.


Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apôstôlin’i Kristy Jesoa noho ny sitrapon’Andriamanitra. Mamangy anareo atỳ Efeso aho, dia ianareo vahoakan’Andriamanitra sady mpino tafaray amin’i Kristy Jesoa.


Noho izany, rehefa nandre ny finoanareo an’i Jesoa Tompo sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra aho,


Izao àry izany tsiambaratelo izany: amin’ny alalan’ny Vaovao Mahafaly, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin’ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin’ny fampanantenàn’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesoa.


Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika!


Eny, velom-pisaorana an’Andriamanitra izahay satria renay laza ny finoanareo an’i Kristy Jesoa sy ny fitiavanareo ny vahoakan’Andriamanitra rehetra.


Ianareo tompo, ento araka ny rariny sy ny hitsiny ny mpanomponareo; satria fantatrareo fa ianareo koa mba manana Tompo any an-danitra.


Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an’Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.


Anafatrafaro sady ampianaro izany zavatra izany.


Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy;


Fa ianao kosa, dia izay mifanaraka amin’ny fampianarana tsy misy tomika no lazao.


Izany lazaina sy ananarana ary andresena lahatra ombàn’ny fahefana rehetra anananao. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao.


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


Koa amin’izany, ry havana, efa voatokana ho an’Andriamanitra ianareo sady efa voaantsony hiombon’anjara amin’ny fiainana any an-danitra, ka diniho i Jesoa ilay irak’Andriamanitra sady Mpisorombe antoky ny finoana izay ekentsika.


Eny, efa tonga mpiombon-tsoa amin’i Kristy isika, raha tanantsika mafy hatramin’ny farany ny toky izay nananantsika hatrany am-boalohany.


Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho.


indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin’ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an’i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;


Toy izany koa ireo mpampianatra sandoka ireo: mirediredy ka mandoto ny nofony sady mandà ny maha Tompo an’i Kristy ary manevateva ireo atao hoe voninahitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra