Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 4:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fa tsara avokoa izay noarîn’Andriamanitra, ka tsy misy tokony holavina fa horaisina amim-pisaorana an’Andriamanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Tsara avokoa anefa ny zavatra nataon’Andriamanitra, ka tsy misy tokony hatao fady, rehefa raisina amim-pisaorana koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin’ny fisaorana,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fa ny zavatra rehetra nataon’Andriamanitra dia tsara avokoa ka tsy misy tokony holavina raha raisina amin’ny fisaorana

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 4:4
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary hitan’Andriamanitra fa izay rehetra nataony dia indro tena tsara. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izany no andro fahenina.


Nefa dia mbola injay indray ilay feo nanao taminy hoe: –Izay efa nambaran’Andriamanitra fa madio, dia aza ataonao ho fady.


tsy mihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy; mifady ny ra; tsy mihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary tsy manao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana. Tsara tokoa no ataonareo raha mitandrin-tena tsy hanao izany. Veloma!»


Fa ny hafa firenena izay tonga mpino dia efa nanoratanay ny fanapahan-kevitray: tsy hihinana ny hena natao sorona tamin’ny sampy; hifady ny ra; tsy hihinana ny henam-biby tsy nosomindaina; ary tsy hanao fifandraisana mamoafady ara- panambadiana.


Tafaray amin’i Jesoa Tompo aho ka fantatro ary azoko antoka fa tsy misy zavatra maloto fotsiny amin’izao, fa izay heverin’ny olona ho maloto no maloto aminy.


fa aza izay sakafo no handravanao ny asan’Andriamanitra. Eny, madio ka azo hanina avokoa ny zavatra rehetra, nefa kosa ratsy ny mihinan-javatra raha mahasolafaka namana amin’ny ratsy izany.


Izay mitandrina ny andro, dia ho an’ny Tompo no itandremany izany; izay mihinana, dia ho an’ny Tompo no ihinanany, satria misaotra an’Andriamanitra koa izy.


«Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mahasoa avokoa. «Azo atao ny zavatra rehetra», hoy aho, kanefa tsy ary mampandroso amin’ny finoana avokoa.


Hano avokoa izay hena amidy eny an-tsena, fa aza velom-panontaniana akory noho ny fieritreretana;


satria «an’ny Tompo izao tany izao sy ny zavatra rehetra ao aminy», hoy ny Soratra Masina.


Raha isaorako an’Andriamanitra izany sakafo haniko izany, nahoana no dia hanomezan-tsiny ahy amin’ny hanina izay isaorako an’Andriamanitra?»


Ny TOMPO no Vatolampy: lavorary ny asany; ny sori-dàlany rehetra rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, tsy misy ratsy eo aminy: marina sy mahitsy Izy.


raran-dry zareo ny fanambadiana; ary asainy fadina ny hanina sasantsasany. Hanina noarîn’Andriamanitra anefa ireny; ka ho an’ireo mpino sady mpahafantatra ny hafatra marim-pototra dia amim-pisaorana an’Andriamanitra no ihinanana azy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra