Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 3:7 - DIEM PROTESTANTA

7 tokony ho tsara laza amin’ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan’ny fandriky ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 tokony ho tsara laza amin’ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan’ny fandriky ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Ary tsy maintsy ho olona tsara laza amin’ny any ivelany koa, fandrao dia afa-baraka sy voan’ny fandriky ny demony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin'izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin'ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary tsy maintsy ho tsara laza koa amin’izay eny ivelany izy, fandrao ho lavo amin’ny fananan-tsiny sy ny fandriky ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 3:7
21 Rohy Ifampitohizana  

ka novaliany hoe: –Ianareo no efa nomena ny tsiambaratelo momba ny Fanjakàn’Andriamanitra; fa ho an’ireo any ivelany kosa dia manjary ankamantatra saro-pantarina ny zavatra rehetra,


Dia hoy izy telo lahy: –Iraky ny kapiteny Kôrnely izahay. Izy dia lehilahy tia rariny sady mpanaja an’Andriamanitra no tsara laza amin’ny Jiosy rehetra. Notoroan’ny anjely masina hevitra izy mba hampaka anao ho any an-tranony ary hihaino izay zavatra hambaranao aminy.


Tao Damasy dia nisy lehilahy atao hoe Hananià, izay mpivavaka tsara sy mpanaraka ny lalànantsika sady tsara laza tamin’ny mponina jiosy rehetra tao an-tanàna.


Noho izany, ry havana, aoka hisy olona fito lahy hotsongaina avy eo afovoanareo, dia olona tsara laza sady feno Fanahy Masina ama-pahendrena, mba hampiandraiketanay izany raharaha izany.


Aza manao izay hahasolafaka olona amin’ny ratsy, na Jiosy izy na hafa firenena na ny Fiangonan’Andriamanitra.


Tsy anjarako ny hanafay an’izay tsy kristianina, fa Andriamanitra no hanafay azy ireo. Tsy hofaizinareo kosa ve ny kristianina namanareo? Fa izao no tenin’ny Soratra Masina: «Esory aminareo ilay olon-dratsy.»


Mba tsy hahazoan’ny olona manakiana ny fanompoana sahaninay, dia tsy avelanay hisy zavatra mahasolafaka ny olona, na amin’inona na amin’inona.


satria mikendry hanao ny tsara izahay, tsy eo anatrehan’ny Tompo ihany, fa eo anatrehan’ny olona koa.


Manàna fitondrantena feno fahendrena eo anoloan’izay tsy kristianina, ka hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa.


dia haneho fitondrantena mendrika eo anoloan’ny tsy kristianina ianareo no sady tsy hanao tanty reraka amin’ny hafa.


halaviro daholo ny zava-dratsy isan-karazany.


tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;


Koa tiako mba hanambady indray ireo vehivavy mpitondratena mbola tanora, ka dia hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony mba tsy hohararaotin’ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika.


Fa izay te hanan-karena, dia voan’ny fakampanahy sy ny fandriky ny filàna maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.


ary hody ny sain’ireo ka ho afaka amin’ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.


hahafehy tena, hadio toetra, hahakojakoja tokantrano, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hanevateva ny tenin’Andriamanitra.


teny tsy misy tomika sady tsy azo kianina ampiasaina, mba ho menatra ny mpanohitra anao, noho izy tsy hanan-kitenenan-dratsy antsika.


Ny amin’i Demètry dia ny olona rehetra sy ny hafatra marim-pototra iainany no vavolombelon’ny mahatsara laza azy. Izahay koa dia vavolombelon’izany, ary fantatrao fa azo antoka ny fijoroanay ho vavolombelona.


Atsaharonareo izany, rey anaka, fa tsy tsara mihitsy izay reko momba anareo amin’ny vahoakan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra