Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 3:6 - DIEM PROTESTANTA

6 tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Tsy izay vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Tsy zazavao amin’ny fivavahana, fandrao dia mieboebo foana ka latsaka amin’ny fanamelohana nanjò ny demony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 tsy izay zazavao amin’ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fahamelohan’ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 tsy izay zazavao amin'ny fivavahana, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin'ny fahamelohan'ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Tsy izay vao avy nanolo-tena ho an’Andriamanitra, fandrao hieboebo foana izy ka ho latsaka amin’ny fanamelohan’ny devoly.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 3:6
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy ihany i Jôasy: «Satria efa resinao ny Edômita, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao izany voninahitra izany ka mitoera ao an-tranonao ihany! Fa nahoana ianao no mitady loza izay hahavoa ny tenanao sy ny tafik’i Joda manontolo?»


Kanjo nampiavonavona am-po azy izany hery nananany izany, ka nitarika loza ho an’ny tenany. Nivadika tamin’ny TOMPO Andriamaniny izy ka niditra tao amin’ny Toeramasin’ny TOMPO mba handoro vovo-javamanitra teo amin’ny alitara fanaovana izany.


I Hezekià kosa tsy mba namaly araka izay soa efa natao taminy; fa niavonavona am-po izy ka niharan’ny fahatezeran’Andriamanitra ny tenany mbamin’i Joda sy i Jerosalema.


Ny fireharehan’ny olona no mialoha ny faharavàny; fa ny fanetren-tena kosa mialoha ny voninahitra.


Ny avonavon’ny olona no hampietry azy; fa ny manetry tena no hahazo haja.


Eny, hisy andro omanin’ny TOMPOn’izao rehetra izao hitsarana ny mpirehareha sy ny mpanandra-tena ary koa ny mpiandranandrana rehetra mba ho fampietrena azy ireo:


Ary resin’ilay mpanjaka ao atsimo ireo vahoaka marobe ireo ka hampiavonavona ny fony; nefa, na dia haharingana miaramila 10 000 maro aza izy, dia tsy handresy.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Hitako tokoa i Satàna nilatsaka tahaka ny tselatra avy any an-danitra.


Koa izaho, ry havako, dia tsy afaka niteny taminareo toy ny amin’ny olona manana ny Fanahin’Andriamanitra; fa toy ny amin’ny olona mbola fehezin’ny maha olombelona no nitenenako taminareo, toy ny amin’ny olona zazavao amin’ny maha kristianina.


Momba ny hena natao sorona tamin’ny sampy dia izao: Fantatsika fa samy manana fahalalana daholo isika. Saingy ny fahalalana dia mampieboebo, fa ny fitiavana kosa mampandroso amin’ny finoana.


Fa mba tsy hampieboebo ahy noho ireo fanambarana tsy manan-tsahala voaraiko, dia navelan’Andriamanitra hisy zava-mampijaly ahy tao amin’ny tenako; toy ny irak’i Satàna mamely ahy izany ka misakana ahy tsy hieboebo.


Izany no tsy hireharehany ho ambonin’ireo mpiray firenena aminy ary tsy hiviliany hiala amin’ny didy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho maro andro hanjakàna izy sy ny taranany eo anivon’i Israely.


saingy tandremo fandrao hiavonavona ny fonareo ka hohadinoinareo ny TOMPO Andriamanitrareo, Izay nampiala anareo tany Ejipta toera-nanandevozana anareo.


tokony ho tsara laza amin’ny olona tsy kristianina koa izy, fandrao ho afa-baràka sy ho voan’ny fandriky ny devoly.


dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr’izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy,


ho mpamadika, ho kirîna, ho mpieboebo, hankamamy ny fahafinaretana toy izay hankamamy an’Andriamanitra,


Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin’Andriamanitra, mba hitomboanareo amin’izany ka hahazoanareo famonjena,


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Ireo anjely, fony nanota, dia tsy namindran’Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin’ny toeran’ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka izay itanana azy ho amin’ny fitsarana.


ary ny anjely izay tsy nitana ny fiamboniana nomena azy fa nandao ny fonenany, dia tazonin’ny Tompo am-patorana mandrakizay ao anaty haizina mandra-pahatongan’ny andro lehibe hanamelohana azy;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra