Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 3:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Ary aoka hozahan-toetra aloha izy ireo; ka rehefa hita fa tsy manan-tsiny, vao hahazo manao ny asan’ny diakônina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 ary aoka hozahan-toetra izy aloha, vao manao ny raharahany, rehefa hita fa tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan’ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Ary aoka hizahan-toetra ireo aloha, dia vao hanao ny asan'ny diakona izy, raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Aoka hozahan-toetra aloha ireo, izay vao hanao ny asan’ny diakona izy raha tsy manan-tsiny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 3:10
9 Rohy Ifampitohizana  

Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika.


Fa ankehitriny kosa, noho i Kristy niharan’ny fahafatesana tao amin’ny vatany mety maty, dia namitram-pihavanana taminareo Andriamanitra mba hahatonga anareo ho masina sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany.


fa ireo diakônina manatontosa tsara ny raharahany dia mahazo laharana mihaja ho an’ny tenany ary manana fahatokiana be miorina amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa.


Koa ny mpitondra Fiangonana dia tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mampirafy, mahafehy tena, matotra, maotina, mahay mandray olona, havanana amin’ny fampianarana;


tsy tokony ho kristianina zazavao izy, fandrao hieboebo foana ka ho voaheloka tahaka ny nanjo ny devoly;


Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.


Ry hava-malala, aza mino izay rehetra milaza hoe manana ny Fanahy Masina, fa zahao toetra ireo hahafantarana raha toa ny Fanahy Masina avy amin’Andriamanitra no manentana azy; satria maro ny mpaminany sandoka eran’izao tontolo izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra