Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin’ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Koa tiako mba hivavaka eny amin’izay rehetra misy azy eny ny lehilahy ka manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Tiako mba hivavaka ny lehilahy na aiza na aiza, ka hanandra-tanana hanao izany amin’ny fo madio, tsy misy fahatezerana na fifandirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Koa ny lehilahy tiako hivavaka na aiza na aiza, manandra-tanana madio, tsy amim-pahatezerana na tabataban-tsaina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tanana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Koa tiako mba hivavaka eny amin’izay rehetra misy azy eny ny lehilahy ka manandra-tanana masina, tsy amin’ny fahatezerana na amin’ny fifandirana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 2:8
48 Rohy Ifampitohizana  

ka dia hoy Izy tamin’ny mpanjaka: –Nangataka izany zavatra izany ianao; tsy ny ho ela velona na ny harena, na koa ny hahafaty ireo fahavalonao no nangatahinao fa kosa fahaiza-manavaka hitondrana ny vahoaka amim-pahamarinana.


Kanefa tsy voaloton-kerisetra ny tanako; ary ny fivavahako dia madio hatrany.


Manandrata tanana mitodika ny Toeramasina, ka misaora ny TOMPO ianareo.


Ny fivavahako anie hisandratra eo anoloanao toy ny eton’ny vovo-javamanitra! Ny fanandratako tanana anie ho toy ny fanatitra hariva!


–Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy nirona tamin’ny lainga na nianiana hoenti-mamitaka.


Hanasa tanana aho satria tsy manan-tsiny. TOMPO ô, hanodidina ny alitaranao aho


Koa henoy àry izany fitalahoako, rehefa miantso vonjy aminao aho ka manandra-tanana hivavaka mitodika amin’ny Toeramasinao.


Raha narary izy ireo, dia nalahelo aho ka nitafy lamba fisaonana ho marik’izany; nampijaly tena tamin’ny fifadian-kanina aho ary koa niondrika hivavaka ho azy,


Eny, hambarako ny fiderana Anao satria tsara noho ny aina ny fitiavanao;


Raha heloka no mamiko ka tsy nifonako, dia tsy ho nihaino ahy akory ny Tompo.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


Raha manandra-tanana hivavaka ianareo dia hitampi-maso tsy hijery Aho. Na manao vavaka maro aza ianareo, dia tsy hihaino akory Aho, satria feno ra ny tananareo.


Dia novalian’i Jesoa hoe: –Izao no lazaiko marina aminareo; raha manam-pinoana ianareo ka tsy misalasala, dia tsy izao nataoko tamin’ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa na itsy tendrombohitra itsy aza hitenenanareo hoe: «Mialà eo ary mianjerà any an-dranomasina», dia ho tonga izany.


Izaho kosa milaza aminareo hoe: tiavo ny fahavalonareo ary mivavaha ho an’izay manenjika anareo,


avelao ny helokay, ary tahaka izany koa no amelanay izay meloka taminay;


Ary i Jesoa namerimberina hoe: –Ray ô, avelao ny helony fa tsy fantany izay ataony! Dia nifampizaràn’ireo miaramila ny fitafian’i Jesoa ka nanaovany loka.


Dia nentin’i Jesoa ivelan’ny tanàna hatrany akaikin’i Betania ireo mpianany, ary nasandrany ny tanany hitso-drano azy rehetra.


Fa izao no tenin’i Jesoa taminy: –Minoa Ahy ianao, ramatoa! Avy ny andro izay tsy hivavahana amin’ny Ray eto amin’ity tendrombohitra ity na any Jerosalema intsony.


Mpivavaka sady mpanaja an’Andriamanitra izy mbamin’ny ankohonany manontolo. Nanampy be dia be ny olo-mahantran’ny vahoaka jiosy i Kôrnely sady nivavaka tamin’Andriamanitra isaky ny fotoana voatendry.


ka nilaza tamiko hoe: «Ry Kôrnely, nohenoin’Andriamanitra ny vavakao ary notsarovany koa ny fiantrana vitanao.


Nibanjina an’ilay anjely i Kôrnely ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Ahoana izay, tompoko? Dia hoy ny anjely taminy: –Tafakatra any amin’Andriamanitra ny vavaka sy ny fiantrana vitanao, ka ahatsiarovany anao.


Nony lany anefa izany herinandro izany, dia lasa nanohy ny dia izahay. Nanatitra anay hatrany ivelan’ny tanàna izy rehetra ombàm-bady aman-janaka; dia niara-nandohalika teo amin’ny torapasika izahay ka nivavaka.


Dia nandohalika izy ka niteny mafy hoe: –Tompo ô, aza tananao hahadiso azy ireo izao heloka izao!


Satriko ho tahaka ahy avokoa ny olona; kanefa moa samy manana ny fanomezam-pahasoavana manokana noraisiny tamin’Andriamanitra, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao.


Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin’ny fandresen’i Kristy. Ampiasain’Andriamanitra izahay hampiely amin’ny toerana rehetra ny fahalalana an’i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza.


Ry havana, tiako ny hahafantaranareo fa izay nihatra tamiko dia vao mainka nanjary fampandrosoana ny Vaovao Mahafaly;


Nanako avy teo aminareo ny tenin’ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an’i Masedônia sy i Akaîa ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan’ny finoanareo an’Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.


Koa tiako mba hanambady indray ireo vehivavy mpitondratena mbola tanora, ka dia hanan-janaka sy hitondra ny tokantranony mba tsy hohararaotin’ny fahavalontsika hitenenan-dratsy antsika.


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


koa aoka isika hanatona an’Andriamanitra amin’ny fo mahitsy sy amin’ny fahatokiana vokatry ny finoana, rehefa voadio ho afaka amin’ny fieritreretana vesaran’ota ny fontsika ary rehefa voasasa tamin’ny rano madio ny tenantsika.


Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy. Sasao ny tananareo, ry mpanota; ary diovy ny fonareo, ry mpiroa fo.


Toy izany koa, ianareo lehilahy, mahaiza miara-mitoetra amin’ny vadinareo izay malemy paika kokoa noho ianareo araka ny efa fantatrareo; manehoa fanajana azy fa mpiombona anjara amin’ilay fiainana nomen’Andriamanitra ianareo mivady. Izany atao, mba tsy hisy zavatra hanampontsampona ny fivavahanareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra