Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Timoty 2:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ho amin’izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly; milaza ny marina aho fa tsy mandainga; ary koa ho mpampianatra ny Jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 ary ny hitory izany no nametrahana ahy ho mpitory sy Apôstôly ary ho mpampianatra ny Jentily amin’ny finoana sy ny fahamarinana; milaza ny marina aho, fa tsy mandainga.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Mba hanao izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina aho, fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin'ny finoana sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ho amin’izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly; milaza ny marina aho fa tsy mandainga; ary koa ho mpampianatra ny Jentilisa* amin’ny finoana sy ny fahamarinana.

Jereo ny toko dika mitovy




1Timoty 2:7
27 Rohy Ifampitohizana  

Mahatoky sy ara-drariny ny asa vitany; azo antoka avokoa ny fandaharany:


Izaho Kôheleta dia nanjaka teo amin’ny vahoakan’i Israely tao Jerosalema.


Nodinihiko tsirairay ny zava-drehetra mba hahitako ny dikany, nefa ela nikarohana tsy nahita valiny aho. Izao no hitako, hoy i Kôheleta: Lehilahy iray ao anatin’ny arivo no mendrika io anarana io; nefa amin’ny vehivavy maro dia tsy nisy hitako mendri-panajana na dia iray aza.


Tamin’izay ny manampahefana jiosy dia nifampilaza hoe: –Aiza no toerana halehan’ilay io no tsy ho hitantsika Izy? Hankany amin’ireo Jiosy miely any amin’ny Grika ve Izy ka hampianatra ny Grika?


Nony tonga tao Antiôkia izy roa lahy, dia namory ny Fiangonana, ka nitantara ny zavatra rehetra nampanaovin’Andriamanitra azy ary koa nitantara ny namohan’Andriamanitra varavarana ho an’ny hafa firenena mba hahazoany mino.


Dia hoy ny Tompo tamiko: «Mandehana fa Izaho no haniraka anao any lavitra, ho amin’ny hafa firenena.»


Fa nitoriako aloha ny mponina tao Damasy ary koa ny tao Jerosalema, vao izay manerana ny faritany Jodea sy ny tanin’ny hafa firenena ka nanainga azy rehetra aho hiala amin’ny toetra ratsiny sy hiverina amin’Andriamanitra ary hanao asa mampiharihary fa nialany tokoa ny toetra ratsiny.


Fa hoy ny Tompo taminy: –Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely.


Vavolombeloko Andriamanitra, dia Ilay tompoiko amin’ny foko tokoa amin’ny fanambarana ny Vaovao Mahafaly momba ny Zanany; eny, vavolombeloko Andriamanitra fa mahatsiaro anareo lalandava aho


Hataon’ny olona ahoana àry no fiantso ny anaran’ny Tompo, raha tsy efa ninoany? Hataony ahoana no fino Azy, raha tsy efa reny? Hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitoriteny?


Aminareo hafa firenena dia izao kosa no teniko: araka ny maha apôstôlin’ny hafa firenena ahy, dia hajaiko ny asa fanompoana nankinina tamiko;


fa izaho dia natokan’Andriamanitra ho mpanompon’i Kristy Jesoa eo amin’ny hafa firenena. Manatontosa fanompoana toy ny mpisorona aho, amin’ny itoriako ny Vaovao mahafaly avy amin’Andriamanitra, mba ho zary fanatitra ankasitrahin’Andriamanitra ireo hafa firenena, rehefa voatokana ho azy noho ny asan’ny Fanahy Masina.


Noho izaho tafaray amin’i Kristy, dia ny marina no lazaiko ka tsy mandainga aho; ary tarihin’ny Fanahy Masina ny fieritreretako no mijoro ho vavolombelona miara-manambara amiko


Tsy olona afaka ve aho? Tsy apôstôly ve aho? Tsy efa nahita an’i Jesoa Tompontsika ve aho? Tsy vokatry ny asako amin’ny fanompoako ny Tompo ve ianareo?


Andriamanitra, Rain’i Jesoa Tompo, Ilay ankalazaina mandrakizay, dia mahalala fa tsy mandainga aho.


Ary rehefa sitrak’Andriamanitra ny nanambara ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako ny Vaovao Mahafaly momba azy amin’ny hafa firenena, dia tsy naka saina tamin’olombelona osa sy malemy aho,


Momba izao zavatra soratako aminareo izao, dia ijoroako eto anatrehan’Andriamanitra fa tsy mandainga aho!


Saingy fantatray fa ny olombelona dia ankatoavin’Andriamanitra ho marina, tsy avy amin’ny fanatanterahana ny lalàna fa noho ny finoana niainan’i Jesoa Kristy. Izany no nahatonga anay hino an’i Kristy Jesoa mba hankatoavan’Andriamanitra anay ho marina, noho ny finoana niainan’i Kristy fa tsy avy amin’ny fanatanterahana ny lalàna.


I Jakôba sy i Petera ary i Jôhany, izay samy noheveriko ho filoha, dia niaiky izany tombon-tsoa nomen’Andriamanitra ahy izany ary nandray tanana ahy sy nandray tanana an’i Barnabà ho mariky ny fiombonana. Koa nifanarahana fa izaho sy i Barnabà dia hiasa any amin’ny hafa firenena, ary izy ireo kosa hiasa eo amin’ny Jiosy.


Nino i Abrahama ary nomban’Andriamanitra fitahiana; ary izay velona noho ny finoana dia hombàn’Andriamanitra fitahiana tahaka azy koa.


Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren’Andriamanitra ahy ho apôstôly sy ho mpampianatra;


Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra