Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Finoana mafy orina entina manohitra azy, satria fantatrareo fa fijaliana toraka izany koa no iaretan’ny havanareo mpino eran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Tohero izy, miorena mafy amin’ny finoana, fantaro fa miaritra fahoriana toraka izany koa ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana hianareo, satria fantatrereo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran’izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 tohero izy, ka miorena tsara amin'ny finoana ianareo, satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra eran'izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 tohero izy ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo satria fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny rahalahinareo rehetra manerana izao tontolo izao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 5:9
24 Rohy Ifampitohizana  

Izaho efa nangataka ho anao mba tsy ho lefy ny finoanao; ianao kosa, rehefa tafaverina amiko, herezo ny rahalahinao.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.


Aza omen-toerana ny devoly.


tano lalandava ny finoana ho toy ny ampinga hahazoanareo mamono ny zanatsipîka mirehitra rehetra alefan’ilay Ratsy;


Fa na dia lavitra anareo aza aho ara-batana, dia eo aminareo ihany am-panahy; ka faly aho mahita fa milamina tsara ianareo ary ijoroanareo mafy ny finoanareo an’i Kristy.


mba tsy hisy hihontsina ianareo amin’izao fahoriana mahazo antsika izao; satria ny tenanareo mahalala fa voatendrin’Andriamanitra hodiavintsika izany.


Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin’izany fiainana izany no niantsoan’Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan’ny vavolombelona maro.


Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.


Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon’ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.


Noho ny finoana dia nandresy fanjakana maro ireo, sy nampihatra ny rariny ka nahazo izay nampanantenain’Andriamanitra; nanakombona ny vavan’ny liona ireo,


Fa raha tsy faizina tahaka ny atao amin’ny zanaka rehetra ianareo, dia tsy tena zanaka fa zazasary.


Koa maneke an’Andriamanitra ianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra lavitra anareo izy.


Izany koa no iravoravoanareo na dia mbola tsy maintsy hampahorîna vetivety amin’ny fitsapana samy hafa aza ianareo.


Eny, izany no niantsoan’Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:


Raha tàhiny manao ny marina aza ianareo no ampahorîna, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan’ny olona, ary aza mangorohoro amin’izany;


Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan’ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.


Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra