Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 4:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Fa mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba ho heni-kafaliana aman-karavoana koa ianareo amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 fa mifalia arakaraka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy, mba hanananareo anjara amin’ny fifaliana sy firavoravoana koa, amin’ny andro hisehoan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 fa araka ny iombonanareo fijaliana amin'i Kristy, dia mifalia, mba hiravoravoanareo indrindra amin'ny fisehoan'ny voninahiny koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Fa mainka mifalia araka ny iombonanareo fijaliana amin’i Kristy* mba hifalianareo sy hiravoravoanareo koa amin’ny fisehoan’ny voninahiny.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 4:13
35 Rohy Ifampitohizana  

Amin’izany andro izany no hilazana hoe: «Indro ny Andriamanitsika. Nanantena Azy isika, hany ka novonjeny. Eny, Izy no TOMPO nantenaintsika, koa mifalia sy miravoa isika fa novonjeny!


Izany no lalana hiverenan’ireo navotan’ny TOMPO, ka hahatongavany ao Tsiôna amin’ny fihobiana; haravoana mandrakizay no ho eny amin’ny endriny, hafaliana sy haravoana no hanenika azy fa handositra kosa ny alahelo aman-tsento.


Eny, hiverina ireo nafahan’ny TOMPO ka hiditra ao Tsiôna amin’ny hobim-pandresena; ary hafaliana mandrakizay no ho hita taratra eny an-dohany, fientanana sy firavoravoana no hanenika azy fa handositra ny alahelo sy ny fisentoana!


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!»


Dia hoy ny tompony taminy: «Mahafinaritra izany, ry mpanompo tsara sy mahatoky! Nahatoky tamin’ny zava-madinika ianao, ka dia tendreko hiandraikitra zava-dehibe; avia hiombon-kafaliana amiko tomponao!»


–Rehefa ho avy amin’ny voninahitra maha mpanjaka Azy ny Zanak’olona sady hotronin’ny anjely rehetra, dia hipetraka eo amin’ny sezafiandrianany mamirapiratra.


Ary dia izao no holazain’ny Mpanjaka amin’izay eo ankavanany: «Avia ianareo nombàn’ny Raiko fitahiana; raiso ho lova ny Fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao.


Mifalia sy miravoravoa ianareo fa lehibe ny valisoa miandry anareo any an-danitra, satria toy izany no nanenjehany ireo mpaminanin’Andriamanitra talohanareo!


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Toy izany no ho tonga amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’olona.


Tamin’ny mamatonalina, dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra i Paoly sy i Silasy; ary nihaino azy roa lahy ny gadra hafa.


Koa tamin-kafaliana no nialan’ny apôstôly teo amin’ny Fitsarana ambony, satria nataon’Andriamanitra mendrika halaim-baràka ho voninahitr’i Jesoa.


Tsy izany ihany, fa ireharehantsika koa ny fahoriana mahazo antsika: satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;


Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.


Heveriko fa tsy mendrika hohàrina amin’ny voninahitra izay haseho ao amintsika ny fijaliana amin’izao andro izao.


Miara-mijaly be dia be amin’i Kristy izahay; ary betsaka araka izany koa ny fampaherezana azonay amin’ny alalan’i Kristy.


Ary miorina mafy ny fanantenany ny aminareo, satria fantatray fa toy ny iombonanareo fijaliana aminay no iombonanareo fampaherezana aminay koa.


Entinay mandrakariva ao amin’ny tenanay koa fa velona i Jesoa;


satria ny fahoriana maivana sy mandalo mihatra aminay dia miasa manomana voninahitra lehibe mihoa-pampana sady maharitra mandrakizay,


Ny hany iriko dia ny hahalalako an’i Kristy, ka hahatsapako ny herin’ny fitsanganany ho velona sy hiombonako fijaliana aminy ary hanahafako Azy amin’ny fahafatesany;


Ankehitriny aho dia mifaly amin’ny fijaliana iaretako noho ny aminareo, satria miferinaina ara-batana aho ka mameno izay tsy ampy tamin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny tenany, izany hoe ho an’ny Fiangonana.


raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;


Noho izany, dia aoka ho vonombonona lalandava ny fanahinareo; mahonòna tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay hatolotra anareo amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.


Eny, izany no niantsoan’Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:


Mananatra ny loholom-piangonana eo aminareo aho, dia izaho loholona tahaka azy ireo sy vavolombelon’ny fijalian’i Kristy ary koa mpiombona amin’ny voninahitra efa haseho.


Rehefa avy niaritra fijaliana vetivety kosa ianareo, dia ilay Andriamanitra loharanon’ny fahasoavana rehetra, Izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’ny Kristy Jesoa, no handavorary sy hankahery anareo ary hanamafy sy hampiorina anareo.


Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny;


Indro i Jesoa Kristy, tamy eo amin’ny rahona, ka hahita maso Azy ny olona rehetra, na dia ireo nandefona Azy aza, ary hitomany Azy ny firenena rehetra ambonin’ny tany. Eny, izany tokoa!


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra