Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 2:18 - DIEM PROTESTANTA

18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo, amin-tahotra sy fanajana lehibe, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin'ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amin’ny fahatahorana rehetra, tsy ny tsara sy ny malemy fanahy ihany, fa ny saro-po koa.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 2:18
13 Rohy Ifampitohizana  

Halaviriko ny haloto fo, tsisy antony amiko ny olon-dratsy.


Ny molotry ny olo-marina dia miboiboika halemem-panahy, fa fitaka no mameno ny vavan’ny olon-dratsy.


Halan’ny TOMPO ny olona fetsifetsy; fa izay manan-toetra vanona kosa no tiany.


satria halan’ny TOMPO ny mpaniasia fa ny olo-marina kosa isakaizany fatratra.


Ny fankahalana ny ratsy no fanajana ny TOMPO. Samy halako na ny fiavonavonana na ny fireharehana na ny fitondrantena ratsy na ny vava fandainga.


Izaho Paoly mihitsy no manainga anareo, dia izaho izay lazaina fa manetry tena rehefa manoloana anareo, nefa henjana aminareo rehefa lavitra anareo. Miangavy anareo amin’ny fahalemem-panahy sy hamoram-pon’i Kristy aho:


Ny vokatry ny Fanahy Masina kosa dia fitiavana, hafaliana, fiadanana, faharetana, hamoram-po, hatsaram-po, toetra mahatoky,


Aoka ny mpino tsy hanevateva olona, tsy ho fiadîna, fa handefitra, haneho halemem-panahy lalandava amin’ny olona rehetra.


Fa ny fahendrena avy any ambony dia voalohany indrindra madio, ary koa tia fihavanana, mandefitra, mora ifampiraharahana, be famindrampo sady mahavokatra asa soa, tsy miangatra, tsy mihatsaravelatsihy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra