Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 2:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Manajà ny olona rehetra, tiava ny rahalahy, matahora an’Andriamanitra, manajà ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an’Andriamanitra, manajà ny filoham-pirenena.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Hajao ny olona rehetra, tiavo ny havana iray finoana, matahora an’Andriamanitra, ary omeo voninahitra ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an’Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Manajà ny olona rehetra. Tiava ny rahalahy. Matahora an'Andriamanitra. Manajà ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Manajà ny olona rehetra, tiava ny rahalahy, matahora an’Andriamanitra, manajà ny mpanjaka.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 2:17
25 Rohy Ifampitohizana  

Namaly kosa i Abrahama hoe: –Nihevitra anakampo aho fa tsy misy olona matahotra an’Andriamanitra amin’ity toerana ity, koa hovonoin’ireo aho noho ny amin’ny vadiko.


Dia hoy indray ilay anjely: –Aza maninji-tanana amin’io zazalahy io ianao ary aza manao aminy na inona na inona akory, satria fantatro ankehitriny fa manaja Ahy ianao; ka, na dia ny zanaka lahitokanao aza, dia tsy narovanao tamiko.


Ary tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Jôsefa taminy: –Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho koa mba manaja an’Andriamanitra.


Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.


Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahendrena: malina tsara izay rehetra mankatò izany. Maharitra mandrakizay ny fiderana ny TOMPO.


«Hajao ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro iainana ianao eo amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrao ho anao.


Ny fanajana ny TOMPO no loharanom-pahalalana. Fa ny adala kosa manamavo fahendrena amam-panabeazana.


Aza mialona ny mpanota, fa manajà ny TOMPO hatrany


Anaka, manajà ny TOMPO ary koa ny mpanjaka; aza ikambananao ireo mitady hikomy aminy.


Tandremo ny baikon’ny mpanjaka. Efa nianiana taminy teo anatrehan’Andriamanitra ianao,


«Mitsangàna ianao raha manoloana ny olona efa antitra ho fanomezam-boninahitra azy; izany no hanehoanao fanajana Ahy Andriamanitrao. Izaho no TOMPO.


Avy eo dia notapahiko koa ilay tehina «Firaisankina», hanafoanana ny firalahian’i Joda sy i Israely.


Ka novalian’ireo hoe: –An’ny amperôra rômanina! Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Raha izany àry, dia avereno amin’ny amperôra rômanina izay an’ny amperôra rômanina ary amin’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.


Ny hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, dia raha mifankatia ianareo.


Mifankatiava toy ny mpiray tampo; miezaha amin’ny fifanajana.


Aloavy amin’ny olona rehetra izay tokony haloha aminy avy: ny hetra amin’izay tokony handoavan-ketra, ny fadintseranana amin’izay tokony handoavam-padintseranana. Atahory izay tokony hatahorana; hajao izay tokony hohajaina.


Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.


Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an’i Kristy.


aza manao na inona na inona raha asesiky ny fifampiandaniana na ny filàn-dera foana, fa samia manetry tena manoloana ny namana ary aoka samy hanao ny namana ho ambony noho ny tena.


Aoka ny mpanompo rehetra fehezin’olona hanao ny tompony ho mendri-kaja tanteraka, mba tsy hanevatevana ny anaran’Andriamanitra sy ny fampianarantsika.


Mifankatiava hatrany toy ny mpiray tampo ao amin’i Kristy.


Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa.


Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin’ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy;


Toy izany koa ianareo mbola tanora fanahy, maneke ny loholona. Ary ianareo rehetra, samia mitafy fanetrentena ka mifanompoa, fa hoy ny Soratra Masina hoe: «Toherin’Andriamanitra ny mpiavonavona fa omeny fahasoavana kosa ny manetry tena.»


Fa hoy ihany i Saoly hoe: –Efa diso aho, kanefa aoka re mba homenao voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ilay Israely vahoakako ihany aho; miverena miaraka amiko mba hahazoako eo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitrao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra