Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Petera 1:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahiniananareo etỳ.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ilay Andriamanitra, tsy mizaha tavan’olona fa mitsara ny tsirairay araka ny asany avy, dia antsoinareo hoe Ray; koa manàna fitondrantena feno fanajana Azy ianareo mandritra ny andro ivahinianareo etỳ an-tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy, no antsoina hoe Ray, dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo, mandritra ny andron’ny fivahiniana etỳ,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona, fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahinianareo etỳ;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan'olona, fa mitsara araka ny asan'izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin'ny fahatahorana mandritra ny andron'ny fivahinianareo etỳ ;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Ary raha Ilay tsy mizaha tavan’olona fa mitsara araka ny asan’izy rehetra, no antsoinareo hoe Ray, dia mitondrà tena amin’ny fahatahorana mandritra ny andron’ny fivahiniananareo etỳ.

Jereo ny toko dika mitovy




1Petera 1:17
33 Rohy Ifampitohizana  

Ka hoy i Jakôba hoe: –Efa telopolo amby zato taona izao no nivezivezeko toy ny mpivahiny. Fohy sady sarotra ny androm-piainako ka tsy nahatratra akory ny andron’ireo razako tamin’ny fotoana nivahiniany.


Fa toy ny vahiny sy mpivahiny an-tanin’olona izahay eo anatrehanao, tahaka ny razanay rehetra rahateo; miserana tahaka ny aloka ny andronay etỳ an-tany, ka tsy azo ianteherana.


Koa ho ao aminareo anie ny fanajana ny TOMPO! Tandremo sy ataovy izany, fa tsy tia heloka na fizahan-tavan’olona na fandraisan-kolikoly ny TOMPO Andriamanitsika.


Tsy mitongilana amin’ny lehibe Izy na mampandefitra ny mahantra eo anoloan’ny mpanankarena, fa asan’ny tanany avokoa izy rehetra.


Raha manitsy ny olona Ianao ka manafay azy noho ny helony, dia manimba izay maminy indrindra toy ny zavatra lanin’ny kalalao. Eny tokoa fa ny olona rehetra dia toa tsio-drivotra mandalo. Fiatoana


Homeko azy ny fifehezam-panjakana hatramin’ny ranomasina sy ny ony.


Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy, fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.


Sambatra ny olona izay manaja ny Tompo mandrakariva, fa izay manamafy ny fony kosa hidiran-doza.


Hoy Aho anakampo hoe: Ahoana raha ataoko lohalaharana amin’ireo zanako lahy ianao ka homeko tany mahafinaritra izay fananana tsara indrindra eo amin’ny samy firenena? Amin’izay dia hiantso Ahy ho rainao ianao ka tsy hiodina amiko intsony.


«Amin’izany, dia hovako ny firenena isan-tokony ka hodioviko ny molony; dia hivavaka amiko TOMPO izy rehetra ary hiray hina hanompo Ahy.


Eny, rahatrizay ny Zanak’olona ho avy ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy sady otronin’ireo anjeliny, dia samy hovaliany araka ny nataony avy ny isam-batan’olona.


Ary naniraka ny mpianany mbamin’ny Herôdianina ry zareo ho any amin’i Jesoa, ka hoy ireto iraka hoe: –Mpampianatra ô, fantatray fa olo-marina Ianao ary mampianatra tsotra ny lalana soritan’Andriamanitra; sady tsy mampaninona Anao izay mety ho hevitry ny hafa, satria tsy mizaha tavan’olona Ianao.


Koa mivavaha toy izao àry ianareo: «Ry Rainay any an-danitra ô, hohamasinina anie ny anaranao;


Marina izany! Nesorina izy ireny noho ny tsy finoana. Kanefa aza miavonavona, fa matahòra.


Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!


Koa feno toky mandrakariva isika, na dia fantatsika aza fa raha mbola mitoetra ao amin’ity vatana ity isika, dia lavitry ny fonenan’ny Tompo,


Koa raha manana ireo fampanantenana ireo isika, ry hava-malala, dia aoka isika hitandrin-tena hadio sy ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na ara-batana na ara-panahy, ka hiezaka ho masina tanteraka amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.


Jereo tokoa ny vokatr’izany alahelo araka an’Andriamanitra izany teo aminareo: He izato fahazotoana hanova ny toe-javatra! He izato ezaka hanala tsiny ny tenanareo! He izato fahatezerana noho ny zava-nitranga! He izato tahotra ny famaizan’Andriamanitra! He izato faniriana hihaona amiko indray! He izato zotompo hanaiky ahy! He izato finiavana hanafay ny ratsy! Izany rehetra izany no nampisehoanareo fa tsy misy tsininareo mihitsy amin’iny raharaha iny.


Ireo noheverina ho tena tompon’andraikitra kosa, – na ahoana na ahoana fahefàny, dia tsy mampaninona ahy izany, satria Andriamanitra tsy mba mizaha tavan’olona! –, ireo tompon’andraikitra dia tsy nandidy ahy hampihatra fepetra hafa na inona na inona.


ka mangataka amin’ilay Andriamanitr’i Jesoa Kristy Tompontsika, dia amin’ilay Ray be voninahitra, mba hanomezany anareo ny Fanahy Masina Izay mampahendry anareo sy manambara an’Andriamanitra aminareo ka hahalalanareo Azy tokoa.


Noho izany no andohalehako eo anatrehan’Andriamanitra Ray,


Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an’ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan’olona.


Ilay TOMPO Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, tsy mba mizaha tavan’olona na mandray kolikoly;


Koa amin’izany, ry hava-malalako, efa nanaiky ahy mandrakariva ianareo fony aho teo aminareo, fa vao mainka tokony hanaiky ahy bebe kokoa ianareo ankehitriny amin’izao tsy maha eo ahy izao. Miasà amin-tahotra sy hovitra hahatomombana ny famonjena anareo;


Fa izay manao ratsy dia hovaliana amin’izay ratsy nataony, fa tsy mba mizaha tavan’olona Andriamanitra.


Aoka àry isika hahay misaotra an’Andriamanitra noho isika mandray Fanjakana tsy azo hozongozonina. Izany fahaiza-misaotra Azy izany dia aoka hasehontsika amin’ny fanompoana sitrak’Andriamanitra, fanompoana ombàm-panajana sy fahatahorana;


Mbola namelan’Andriamanitra fampanantenana isika fa hiditra ao amin’ny toeram-pitsaharana voaomany ho antsika; koa mitandrema isika mba tsy hisy aminareo tsy ho tody amin’izany.


Ry hava-malala, amin’ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny.


fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin’ny fanantenana ao anatinareo,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra