Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Jaona 2:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no soratako ho anareo zatovo: «Efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Manoratra aminareo ray aho satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho satria efa naharesy ilay ratsy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Izao no soratako ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no soratako ho anareo zatovo: «Efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Manoratra ho anareo aho, ry ray, satria nahalala Ilay hatramin’ny voalohany ianareo. Manoratra ho anareo aho, ry zatovo, satria naharesy ilay ratsy ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin’ny voalohany hianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy hianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Manoratra aminareo ray aho, satria efa mahalala Ilay hatramin'ny voalohany ianareo. Manoratra aminareo zatovo aho, satria efa naharesy ilay ratsy ianareo. Nanoratra taminareo ankizy madinika aho satria efa mahalala ny Ray ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Jaona 2:13
36 Rohy Ifampitohizana  

ry tovolahy sy tovovavy, ry zokiolona ombàn’ny ankizy.


Fony tsy mbola ary akory ny tendrombohitra, tsy mbola voaforonao ny tany sy izao tontolo izao, dia efa Andriamanitra Ianao hatrizay ka ho mandrakizay.


Hoy ny Tompo hoe: «Nifikitra tamiko izy, ka hovonjeko; harovako izy satria miaiky ahy ho Tompo.


Ny fahatanjahana no haingon’ny tanora, ary ny volofotsy no voninahitry ny antitra.


Akory ny fahasambarany! Ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary sy divay vaovao no hampaharoroka finaritra ireo zatovolahy sy zatovovavy.


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!


Ny olona mahaheno ny teny momba ny Fanjakàn’ny lanitra kanefa tsy mahafantatra, dia ny voa nafafy teny amoron-dalana: avy ilay Ratsy ka manaisotra izay nafafy tao am-pony.


ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny olona miaina araka ny Fanjakàn’ny lanitra; ny tsimparifary dia ny olona andevozin’ilay Ratsy;


Fa aoka ny teninareo, rehefa eny, dia ho eny; rehefa tsia, dia ho tsia; ny ankoatra izany kosa dia avy amin’*ilay Ratsy.


Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy!


Raha mahafantatra Ahy ianareo, dia hahafantatra ny Raiko ihany koa; dieny izao no ahafantaranareo Azy sady efa nahitanareo Azy.


Fa hoy i Jesoa taminy: –Izay ela izay no niarahako taminareo ka tsy fantatrao ve Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy, dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanao hoe: «Asehoy anay ny Ray»?


Ary izany no hataony, dia satria tsy nisy fantany na ny Ray na Izaho.


Izany no voalazako taminareo, dia mba hanananareo fiadanana amin’ny firaisana amiko. Eto amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa mahereza, fa Izaho efa naharesy izao tontolo izao!


Mivavaka Aho mba ho iray izy rehetra: Ray ô, enga anie ho ao anatintsika izy rehetra tahaka Anao ato anatiko ary Izaho ao anatinao, mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy.


Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.


Dia hoy ny Farisianina taminy: –Aiza ny Rainao? Fa novalian’i Jesoa hoe: –Samy tsy fantatrareo na Izaho na ny Raiko; fa raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko ihany koa.


Fa Andriamanitra, Izay nandidy hoe: «Aoka ny mazava hamirapiratra avy ao anaty haizina», no nampamirapiratra ny mazava ao am-ponay, mba hampisehoanay ny fahalalana ny voninahitr’Andriamanitra, izay hita eo amin’ny tavan’i Jesoa Kristy.


Aza levilevena ny lehilahy efa zokiolona fa anaro toy ny rainao izy; ny zatovolahy, ento toy ny rahalahy;


Anaro toy izany koa ny lehilahy tanora mba hahafehy tena.


Ny amin’ilay Teny manome fiainana no anoratanay aminareo. Izy, Izay nisy hatramin’ny voalohany, ka efa renay, efa hitan’ny masonay, efa nobanjininay ary efa notsapain’ny tananay no ambaranay aminareo.


Izany, rey anaka, no soratako aminareo, mba tsy hanotanareo. Kanefa raha misy olona manota, dia manana mpisolovava eo anilan’ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, ilay Marina.


Izao no soratako ho anareo rankizy: «Voavela ny fahotanareo noho ny anaran’i Kristy!»


Izao no voasoratro ho anareo ankizy: «Efa nahalala ny Ray ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo ray aman-dreny: «Efa nahalala Ilay nambara hatramin’ny voalohany ianareo!» Izao no voasoratro ho anareo zatovo: «Mahery ianareo ary mitoetra ao anatinareo ny tenin’Andriamanitra, sady efa naharesy ilay Ratsy ianareo!»


Fa tsy hanao tahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay Ratsy ka namono ny rahalahiny. Ary inona no anton’ny namonoan’i Kaina azy? Dia satria ratsy ny asan’i Kaina, fa marina kosa ny an’ny rahalahiny.


Rey anaka, ianareo dia avy amin’Andriamanitra ary efa naharesy an’ireny mpaminany sandoka ireny; satria lehibe ny Fanahy Masina izay ao anatinareo noho ny fanahy izay ao amin’izao tontolo izao.


Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota, satria arovan’ilay Zanak’Andriamanitra izy ka tsy voakasik’ilay Ratsy.


Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra ka efa nanome antsika fahazavan-tsaina mba hahalalantsika an’ilay Andriamanitra tena Izy; ary tafaray amin’izany Andriamanitra tena Izy izany isika, amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany Izay Andriamanitra tena Izy sady fiaina-maharitra mandrakizay.


Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin’ny Zanakondry sy ny tenin’Andriamanitra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.


«Izay manan-tsofina, aoka hihaino izay lazain’ny Fanahy Masina amin’ireo Fiangonana! «Izay maharesy dia havelako hihinana amin’ny voan’ilay hazo manome fiainana izay ao amin’ny sahan’Andriamanitra.» –Manorata ho an’ny anjelin’ny Fiangonana any Smirna:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra