Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, misaotra Anao sy midera ny anaranao be voninahitra izahay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Koa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, Ianao no derainay, ary ny Anaranao be voninahitra no ankalazainay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Koa ankehitriny misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:13
12 Rohy Ifampitohizana  

Avy aminao ny harena sy ny voninahitra; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra.


Fa zinona moa aho, ary zinona moa ny mpiray firenena amiko, no hanan-kery hanolotra fanomezana an-tsitrapo toy izao? Eny, avy aminao ny zavatra rehetra; ary ny avy taminao ihany no nanomezanay Anao.


Miderà ny TOMPO ianareo: ataovy antso avo ny lazany, ampahafantaro ny firenen-kafa ny asany lehibe.


Haleloià! Miderà ny TOMPO ianareo fa tsara Izy: –eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!


Fiderana nataon’i Davida. Andriamanitro ô, Ianao no mpanjakako ka dia hanandratra Anao aho sy hankalaza ny anaranao mandrakizay.


Misaotra sy midera Anao aho, ry Andriamanitry ny razako ô, satria nomenao fahendrena sy hery. Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy izay zavatra nangatahinay taminao, ka nambaranao anay ilay nofin’ny mpanjaka.


Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.


Kanefa hisaorana anie Andriamanitra Izay mampiombona anay mandrakariva amin’ny fandresen’i Kristy. Ampiasain’Andriamanitra izahay hampiely amin’ny toerana rehetra ny fahalalana an’i Kristy, ho toy ny hanitra mamerovero hatraiza hatraiza.


Hisaorana anie Andriamanitra Izay nahatonga an’i Tito ho mazoto miasa ho anareo tahaka ny ataonay koa!


Hisaorana anie Andriamanitra noho ny fanomezany tsy hay visavisaina!


Miantso ny anaran’ny Tompo aho; ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!


Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an’Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin’Andriamanitra notorînay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin’olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin’Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra