Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:12 - DIEM PROTESTANTA

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ka eo an-tananao koa ny mahalehibe sy ny mampatanjaka izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra; ary Ianao no mifehy izao rehetra izao. Eo an-tananao ny fahefana sy ny hery, ka Ianao no mahalehibe sy manamafy ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 Ianao no iavian’ny harena amam-boninahitra, Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao, eo an-tananao ny hery amam-pahefana, ary ny tananao no manome ny halehibeazana amam-pahamafisana ny zavatra rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tànanao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tànanao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Hianao no manjaka amin'izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka, ka eo an-tananao koa ny mampahalehibe sy ny mampahatanjaka izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 Avy aminao ny harena sy ny voninahitra, ary Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao; eo an-tananao ny hery sy ny tanjaka ka eo an-tananao koa ny mahalehibe sy ny mampatanjaka izao rehetra izao.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:12
40 Rohy Ifampitohizana  

Koa misaotra Anao izahay, ry Andriamanitray ô, sy midera ny anaranao be voninahitra.


koa dia omena anao ny fahendrena sy ny fahaiza-manavaka. Ary homeko vola aman-karena koa ianao, mihoatra noho izay nananan’ireo mpanjaka hafa rehetra tany alohanao, ary tsy hisy hanana toy izany ny any aorianao.


Fa manopy maso ny tany tontolo ny TOMPO mba hanohana izay miraiki-po tanteraka aminy. Adala ianao tamin’io fihetsikao io, ka dia hisy ady hihatra aminao manomboka izao.


ka nivavaka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitry ny razanay ô, Ianao tokoa no Andriamanitra any an-danitra. Ianao no mifehy ny fanjakana rehetra eo amin’ny firenena isan-tokony, ary eo an-tananao ny hery amam-pahefana ka tsy misy mahatohitra Anao.


Nanao tanàna maro ho an’ny tenany koa i Hezekià sady nanana ondry aman’osy ary omby betsaka, satria nomen’Andriamanitra fananana be dia be izy.


Rehefa avy nivavaka ho an’ireo namany i Jôba, dia naverin’ny TOMPO hanan-karena indray ary nomeny indroan’izay rehetra nananany fahiny aza.


Raha hery no hampiasaina, mahery rahateo Izy; raha fitsarana indray, dia hoy Izy hoe: «Zovy no sahy hitory Ahy?»


Naorin’ny TOMPO any an-danitra ny sezafiandrianany, mifehy an’izao rehetra izao ny fanjakany.


Ny TOMPO no miaro ny vahoakany; Izy koa no manda famonjena ho an’ilay mpanjaka nohosorany.


Salamo nataon’i Davida. Ianareo anjely, tolory haja ny TOMPO, eny, tolory haja IZY fa be voninahitra sy hery;


Homen’ny TOMPO hery anie ny vahoakany ka dia hotahîny hombam-piadanana!


–Aza mitoky amin’ny fanaovana an-keriny, aza miankina amin’ny fangalarana. Raha mitombo fananana ianareo, aza mba miraiki-po amin’izany.


Izao no tenin’Andriamanitra fandreko matetika: «Ahy ny hery!»


Ny fitahian’ny TOMPO no mampanankarena; ary tsy manampy inona amin’izany ny ezaky ny olona.


Miaraka amiko ny harena sy ny voninahitra, dia fananana mateza sy fanambinana sahaza.


Hadinon’ny olona kosa amin’izay fa mandalo ny fiainany, satria fenoin’Andriamanitra fahasambarana ny fony.


Manome hery ny reraka Izy ary manatanjaka ny malemy.


Eny, hatrizay hatrizay dia izany no maha Izaho Ahy. Tsy misy maharombaka izay eo an-tanako, ary tsy misy mahaova izay ataoko.


Ao amin’ny TOMPO irery no hahitana hery sy fahamarinana!» Izay rehetra nifanohitra tamiko dia hankany amiko sady ho menatra.


Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»


Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Hisaorana anie ny anaran’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, satria Azy ny fahendrena sy ny hery!


Taorian’izany i Dariôsa mpanjaka dia nanoratra ho an’ny vahoaka avy amin’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin’ny tany tontolo hoe: –Hitombo anie ny fiadananareo!


Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany;


I Jesoa kosa namaly azy hoe: –Tsy hanana fahefana amiko akory ianao, raha tsy nomen’Andriamanitra anao izany; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa!


Mangataka amin’Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren’ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin’ny herin’ny Fanahiny,


Ary ho an’Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,


tsarovy kosa fa ny TOMPO Andriamanitrareo no manome anareo ny hery hamoriana harena, ka mahatò tahaka ny amin’izao anio izao ny fanekempihavanana izay nataony sady nianianany tamin’ny razambenareo.


Afaka miatrika izany rehetra izany aho, noho i Kristy manome hery ahy.


ary hampahatanjahina tanteraka amin’ny heriny be voninahitra mba hanananareo fandeferana sy faharetana amin’ny zavatra rehetra. Fo heni-kafaliana


Izany no hahafantaran’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa lehibe ny herin’ny TOMPO, ary hanajanareo mandrakizay ny TOMPO Andriamanitrareo!


sady nanao hoe: «Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, noho Ianao naneho ny herinao lehibe ary noho Ianao efa manjaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra