Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 29:10 - DIEM PROTESTANTA

10 Dia nankalaza ny TOMPO teo imason’ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: –Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

10 Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

10 Dia nankalaza ny TOMPO teo imason’ny olona rehetra tafangona teo i Davida ka nanao hoe: –Hankalazaina anie Ianao, ry TOMPO Andriamanitr’i Israely razambenay; hankalazaina anie Ianao hatrizay ka ho mandrakizay!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

10 Dia nisaotra an’i Iaveh teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida, ka hoy i Davida: «Hisaorana mandrakizay mandrakizay anie Ianao, ry Iaveh, Andriamanitr’i Israely rainay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

10 KOA dia nisaotra an’i Jehovah teo anatrehan’ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr’Isiraely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

10 Koa dia nisaotra an'i Jehovah teo anatrehan'ny fiangonana rehetra Davida ka nanao hoe: Isaorana anie Hianao, Jehovah ô, Andriamanitr'Isiraely razanay, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

10 Dia nisaotra NY TOMPO teo anatrehan’ny fiangonana rehetra i Davida hoe: Isaorana anie Ianao, RY TOMPO, Andriamanitr’Israely razanay, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 29:10
33 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanontany izy hoe: –Iza moa no anaranao? Ka hoy ny navaliny azy: –Jakôba.


Dia nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe Ela-Elôhe-Israely ny anaran’ilay alitara.


Avy eo izy dia niteny hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:


Anao, TOMPO ô, ny halehibiazana sy hery; Anao ny voninahitra sy hamirapiratana ary fiandrianana; satria Anao ny zava-drehetra any an-danitra sy etỳ an-tany! Ianao, TOMPO ô, no mpanjaka; Ianao no asandratra ho filohan’ny zavatra rehetra.


Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.


Dia samy faly ny besinimaro nanolotra fanomezana an-tsitrapo, satria tamin’ny fony manontolo no nanaovany an’izany ho an’ny TOMPO; ary faly dia faly koa i Davida mpanjaka.


Nony tonga hijery ireo zavatra niavosa ireo i Hezekià sy ny manampahefana, dia nisaotra ny TOMPO sy ilay Israely vahoakany.


Avy eo izy dia hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:


«Hankalazaina anie ny TOMPO Andriamanitry ny razanay, hoy i Hezrà. Fa Izy no nanoro hevitra ny amperôra hanatsara endrika ny tranony any Jerosalema;


Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO.


Nataon’i Davida. Tompo ô, midera Anao amin’ny foko manontolo aho sady mankalaza Anao eo anatrehan’ireo anjely;


Hidera ny TOMPO aho raha mbola miaina koa; hankalaza ny Andriamanitro aho raha mbola velona koa.


Tompo ô, Ianao no ahazoako midera Anao rehefa tafangona maro ny vahoakanao; eo anatrehan’ireo mpanaja Anao no hanefako ny voadiko taminao.


Andriamanitra ô, misandrata Ianao hanerinerina any an-tampon’ny lanitra. Aoka anie ny voninahitrao hamiratra amin’ny tany tontolo!


satria latsain’ny fahavalonao, TOMPO ô, izaho mpanjaka voahosotrao; eny, latsain’ny fahavalonao aho na aiza na aiza andehanako.


Satria Ianao mihitsy no Rainay, fa i Abrahama tsy mahalala anay, ary i Jakôba tsy mahafantatra anay; eny, TOMPO ô, Ianao no Rainay, Ianao ilay nantsoina hatrizay hatrizay amin’ny anaranao hoe «Mpanavotra anay.»


Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanainga ahy hiala amin’ny tany; dia nandre horakoraka mafy tao ivohoko aho nanao hoe: «Hoderaina anie ny TOMPO any amin’ny toerana izay isehoan’ny voninahiny.»


Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Hisaorana anie ny anaran’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, satria Azy ny fahendrena sy ny hery!


Koa ankehitriny, izaho Nebokadnetsara dia midera sy mankalaza ary manome voninahitra ilay Mpanjakan’ny lanitra; fa marina izay ataony rehetra, mahitsy ny asany rehetra. Ary hainy aetry aza izay mitondra tena amim-piavonavonana.


Koa mivavaha toy izao àry ianareo: «Ry Rainay any an-danitra ô, hohamasinina anie ny anaranao;


Omeo anay isan’andro ny hanina sahaza anay.


Mamangy anareo atỳ Rôma aho, dia ianareo rehetra malalan’Andriamanitra sy nantsoiny ho vahoakany. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!


Satria tsy fanahy maha mpanompo no voarainareo ka hahatonga anareo hatahotra indray; fa ny Fanahy Masina maha zanak’Andriamanitra no voarainareo, ka ahafahantsika miantso an’Andriamanitra hoe: «Raiko ô!»


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Miantso ny anaran’ny Tompo aho; ry Israelita, ekeo fa lehibe ny Andriamanitsika!


Ho an’ilay Andriamanitra sady Raintsika anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Enga anie i Jesoa Kristy Tompontsika sy ilay Andriamanitra Raintsika Izay efa tia antsika ka nanome antsika fampiononana mandrakizay sy fanantenana tsara tamin’ny alalan’ny fahasoavany


Ho an’ilay Mpanjaka mandrakizay, dia Andriamanitra tokana, tsy mety maty sady tsy hita maso, ho Azy anie ny haja sy ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin’ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay


ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Ny Zanakondry, Izay efa voavono ho faty, no mendrika handray ny fahefana sy ny harena, ny fahendrena sy ny hery, ny haja sy ny voninahitra ary ny dera.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra