Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 28:2 - DIEM PROTESTANTA

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: –Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasàko ny hanorina tempoly hipetrahan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay hoenti-manorina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ho an’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitsika. Efa nataoko vonona izay hoenti-manangana azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka, ka nanao hoe: –Henoy aho, ry havako sy mpiray firenena amiko! Raha izaho, dia efa fikasàko ny hanorina tempoly hipetrahan’ilay Vatamasina mirakitra ny fanekempihavanan’ny TOMPO, izany hoe ilay fitoeran-tongotry ny Andriamanitsika; ary efa novononiko izay hoenti-manorina azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka nanao hoe: «Mihainoa ahy, ry rahalahiko amam-bahoakako! Izaho efa nikendry ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny Faneken’i Iaveh sy ho fandiavan-tongotry ny Andriamanitsika, sady namonona no ho enti-manao izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ny fiaran’ny faneken’i Jehovah sy ho an’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Davida mpanjaka nitsangana ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa mby tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy ho an'ny fitoeran-tongotr'Andriamanitsika, ary efa novononiko izay ho enti-manao azy;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

2 Dia nitsangana i Davida mpanjaka ka niteny hoe: Mihainoa ahy, ry rahalahiko sy ry vahoakako! Raha izaho, dia efa tato am-poko ny hanao trano fitsaharana ho an’ny vata misy ny faneken’NY TOMPO sy ho an’ny fitoeran-tongotr’Andriamanitsika. Efa nataoko vonona izay hoenti-manangana azy;

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 28:2
30 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa nampandrenesina i Jakôba fa tonga hamangy azy i Jôsefa zanany, dia niezaka hipetraka teo am-pandriana izy.


ary tonga niarahaba an’i Davida andriamanjaka ireo minisitra ka nanao hoe: «Hataon’ilay Andriamanitrao ho tsara laza kokoa noho ianao anie i Salômôna, ary hataony ho be voninahitra noho ny sezafiandriananao anie ny sezafiandrianany». Dia niankohoka teo am-parafara ny mpanjaka,


omby mifahy folo, omby an-tondraka roapolo ary ondry zato, afa-tsy ny biby hafa toy ny diera sy ny gazela ary ny osy mbamin’ny gisa matavy.


–Ndeha lazao amin’i Davida mpanompoko fa Izaho TOMPO dia manambara izao hafatro izao: ‹Tsy ianao no hanao tempoly hitoerako.


He! nanao ezaka mafy aho ka nahavonona ho an’ny tranon’ny TOMPO ireto fitaovana ireto: volamena milanja telo tapitrisa kilao mahery, volafotsy milanja telopolo tapitrisa kilao mahery, halimo sy vy betsaka tsy hita lanja; ary nahavonona hazo sy vato koa aho. Dia hampianao kosa ireo.


Ary niantso an’i Salômôna zanany i Davida ka nandidy azy hanorina tempoly ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely


sady niteny taminy hoe: –Anaka efa mby tato am-poko ny hanorina trano ho an’ny TOMPO Andriamanitro;


sy zafin-dorian’i Ametsỳ, dia i Ametsỳ zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Semera


Efa mby tao am-pon’i Davida raiko ny hanorina tempoly ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Salamo nataon’i Davida. Ny TOMPO Andriamanitra dia niteny hentitra tamin’ny Mpanjaka Tompoko hoe: «Mipetraha amin’ny sezafiandrianana eto ankavanako. Izaho kosa hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.»


«Intỳ, hoy Izy, no toeram-pitsaharako hatrany. Eto no honenako! Eny, eto no tiako!


Tsarovy fa taminao, TOMPO ô, no nanaovany fianianana; taminao, ry ilay Maherin’i Jakôba, no nanaovany voady hoe:


vonjeo tsy ho rotidrotiky ny liona, ary tsy ho voan’ireo tandrok’ombimanga. Dia namaly ny vavaka nataoko Ianao!


Asandrato ny TOMPO Andriamanitsika; Izy no masina ka iankohofy eo anoloan’ny fitoeran-tongony.


Ny voninahitry ny hazo rehetra any Libano, dia ny kipreso sy ny sapay ary ny bokso, no indray ho tonga ao aminao mba handravahana ny Toeramasiko. Izany no hanomezako voninahitra ny trano misy ny fitoeran-tongotro.


Izao no lazain’ny TOMPO: «Ny lanitra no sezafiandrianako ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano toa inona moa no hataonareo ho Ahy? Ary toerana toa inona no hialako sasatra?


Indrisy! Tezitra ny Tompo ka nanaron-draho-mainty an’i Tsiôna. Avy any an-danitra no nanjerany amin’ny tany izay natao ho voninahitr’i Israely. Tamin’ny androm-pahatezerany dia hadinony fa i Tsiôna no fandiavan-tongony.


Ary hoy ny Tompo tamiko: «Ry ilay taranak’olombelona, ity toerana ity no misy ny sezafiandrianako, eto no fametrahako ny tongotro. Eto no honenako mandrakizay eo anivon’ny Israelita. Na ny vahoakan’i Israely na ny mpanjakany dia tsy hanala baràka ny anarako masina intsony amin’ny fanompoan-tsampy sy amin’ny fandevenana ny fatin’ireo mpanjakany eto.


Avy hatrany ilay nandray denàry 30 000 dia nampiasa izany ka nahazo tombony denàry 30 000.


«Ny lanitra no sezafiandrianako, hoy ny Tompo; ary ny tany no fitoeran-tongotro. Koa trano manao ahoana no haorinareo ho Ahy, ary toerana inona no hitsaharako?


Koa izay mpanjaka hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo ihany no tena hatsanganareo hifehy anareo; eo anivon’ny mpiray firenena aminareo no hangalanareo mpanjaka izay hatsanganareo hifehy anareo, fa tsy azonareo ekena hifehy anareo ny olona vahiny izay tsy mpiray firenena aminareo.


Izany no tsy hireharehany ho ambonin’ireo mpiray firenena aminy ary tsy hiviliany hiala amin’ny didy, na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia, ka ho maro andro hanjakàna izy sy ny taranany eo anivon’i Israely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra