Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 19:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Ary ny sisa tamin’ny tafika kosa natolony hoentin’i Abisy rahalahiny, ka ireo no nilahatra hiady tamin’ny Hamônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ny olona sisa kosa dia nomeny hoentin’i Abisay rahalahiny, dia nilahatra hiady amin’ny taranak’i Amona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ary ny sisa tamin’ny tafika kosa natolony hoentin’i Abisy rahalahiny, ka ireo no nilahatra hiady tamin’ny Hamônita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 ary nomeny hoentin’i Abisaia rahalahiny kosa ny vahoaka sisa, ka nalahany hifanatrika tamin’ny taranak’i Amôna.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin’i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin’ny taranak’i Amona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary ny olona sisa kosa nomeny ho entin'i Abisay rahalahiny, ka dia nilahatra hiady amin'ny taranak'i Amona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ny olona sisa kosa dia nomeny hoentin’i Abisay rahalahiny, dia nilahatra hiady amin’ny taranak’i Amona ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 19:11
5 Rohy Ifampitohizana  

I Abisay, rahalahin’i Jôaba, no filohan’ny «andian’ny telopolo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy, kanefa tsy tafiditra anarana tao anatin’ny «Tariky ny telo lahy».


I Abisay, zanakalahin’i Tseroià, dia nandresy ny Edômita tokony ho 18 000 lahy, tao amin’ny Lohasahan-tsira.


Rehefa hitan’i Jôaba fa sady teo anoloany no teo ivohony ny vava ady, dia nifantina izay miaramila israelita mendrika indrindra izy ka nandahatra azy teo anoloan’ny Sirianina.


Dia hoy i Jôaba tamin’ity rahalahiny: –Raha mahery noho izaho ny Sirianina, dia aoka ianao hamonjy ahy; fa raha mahery noho ianao kosa ny Hamônita, dia hamonjy anao aho.


Ary niainga kosa ny Hamônita ka nilahatra hiady teo akaikin’ny vavahadin-drenivohiny; fa ireo mpanjaka izay tonga hanampy kosa naka toerana teny an-tsaha.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra