Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 17:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Hataoko maharitra mandrakizay ao amin’ny tempoliko sy eo amin’ny fanjakako izy; ary ny sezafiandrianany tsy ho voahozongozona mandrakizay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Hataoko maharitra mandrakizay ao amin’ny tempoliko sy eo amin’ny fanjakako izy; ary ny sezafiandrianany tsy ho voahozongozona mandrakizay.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin’ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 fa hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin'ny fanjakako mandrakizay izy; ary hampitoerina mandrakizay ny seza fiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

14 Hampitoeriko ao an-tranoko sy ao amin’ny fanjakako mandrakizay izy; ary ho tafaorina mandrakizay ny sezafiandrianany.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 17:14
7 Rohy Ifampitohizana  

Izaho ho rainy, ary izy ho zanako; ka tsy hanesotra aminy na oviana na oviana ny fitiavako Aho tahaka ny nanesorako izany tamin’ilay mpanjaka talohanao.


Dia nambaran’i Natàna tamin’i Davida avokoa izay rehetra nolazain’Andriamanitra azy nandritra io fahitana io.


«Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiôna tendrombohitro masina!»


Ny lazan’ny mpanjaka anie ho mandrakizay ka hitatra hatrany eto ambany masoandro! Izy anie ho fitahiana ireo fokon’ny tany tontolo ka hataon’ny firenena rehetra hoe: «Sambatra!»


Efa nanao izao fianianana izao Aho fahiny; tamin’ny fahamasinako no nanaovako izany fa tsy hamitaka velively an’i Davida Aho:


Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary dia isika izany tranon’Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra