Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 16:36 - DIEM PROTESTANTA

36 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: «Amen!» sy hoe: «Ankalazao ny TOMPO!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

36 Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra dia niteny hoe: Amena! Sady nidera NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

36 Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay. Ary ny vahoaka rehetra niredona hoe: «Amen!» sy hoe: «Ankalazao ny TOMPO!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

36 Hisaorana anie i Iaveh Andriamanitr’i Israely, Hatramin’ny mandrakizay, ka ho mandrakizay.» Ary ny vahoaka rehetra nanao hoe: «Amen!» sy hoe: «Miderà an’i Iaveh!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an’i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

36 Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra nanao hoe: Amena, sady nidera an'i Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

36 Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay. Ary ny olona rehetra dia niteny hoe: Amena! Sady nidera NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 16:36
12 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo izy dia niteny hoe: –Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely! Fa notontosainy tokoa ny zavatra nampanantenainy tamin’i Davida raiko hoe:


«Hisaorana anie ny TOMPO Izay nanome fiadanana ny Israelita vahoakany araka izay rehetra nolazainy; fa tanterany antsipiriany avokoa ny teny soa nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.


Nisaotra ny TOMPO Andriamanitra lehibe i Hezrà; ary nanandra-tanana ny vahoaka rehetra ka namaly hoe: «Amen!» Avy eo izy ireo dia niondrika sady niankohoka nitehi-tany teo anatrehan’ny TOMPO.


Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe: –Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay! «Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!


TOMPO Andriamanitray ô, vonjeo izahay ka angony avy any amin’ny hafa firenena, mba hideranay ny anaranao masina ary hifalianay amin’ny fankalazana Anao.


Hisaorana anie ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay! Ary aoka ny vahoaka rehetra tafangona hilaza hoe: Amen! Haleloià!


ka nanao hoe: –Eny, enga tokoa anie mba ho araka izay nolazainao no hataon’ny TOMPO! Hotanterahiny anie izay nambaranao ka haveriny avy any Babilôna hanketo indray ireo fanaka rehetra tao an-tranon’ny TOMPO miaraka amin’ny babo rehetra!


Raha am-panahy fotsiny no isaoranao an’Andriamanitra, hataon’izay mpiangona sarambabe ahoana no famaly «Amen» ny vavaka fisaorana vitanao? Tsy fantany akory manko izay lazainao.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Fa nitahy antsika Andriamanitra tamin’ny fitahiana rehetra araka ny Fanahy Masina ka nataony miray amin’i Kristy isika sady tonga mponina any an-danitra.


Hankalazaina anie ilay Andriamanitra sady Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika! Be famindrampo tokoa Andriamanitra, ka niteraka antsika indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Izay natsangany ho velona avy any amin’ny maty. Izany no ananantsika fanantenana mivaivay


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra