Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 10:13 - DIEM PROTESTANTA

13 Eny, maty i Saoly noho ny fivadihany tamin’ny TOMPO: tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO manko izy, ary koa nanontany ny fanahin’ny maty tamin’ny mpamoha angatra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

13 Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

13 Eny, maty i Saoly noho ny fivadihany tamin’ny TOMPO: tsy nitandrina ny tenin’ny TOMPO manko izy, ary koa nanontany ny fanahin’ny maty tamin’ny mpamoha angatra

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

13 Maty i Saola noho ny hadisoany tamin’i Iaveh, izay nahameloka azy, fa tsy nitandrina ny tenin’i Iaveh izy, sady nanontany ary nila hevitra tamin’ireo mpiantso ny maty.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin’i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin’izay nanao azy ho tsindrian-javatra

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

13 Eny, maty Saoly noho ny nivadihany tamin'i Jehovah, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin'i Jehovah sy noho ny nakany saina tamin'izay nanao azy ho tsindrian-javatra

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

13 Eny, maty i Saoly noho ny nivadihany tamin’NY TOMPO, dia noho ny tsy nitandremany ny tenin’NY TOMPO sy noho ny nakany saina tamin’izay mpila hevitra amin’ny maty

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 10:13
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary na ny zanany lahy aza dia natolony ho sorony dorana; ankoatra izany dia mbola nanandro sady nisikidy ary naka hevitra tamin’ny olona tsindrian-javatra sy mpanao fitokavana koa izy. Nahery nanao izay ratsy eo imason’ny TOMPO izy, ka nampahatezitra Azy.


Izay rehetra miantehitra aminao dia tsy mba ho diso fanantenana; fa ireo mivadika aminao no ho menatra, ka enga anie hitondra tanam-polo mody!


Indro very izay mihataka aminao ary aringanao izay rehetra mandao Anao.


«Izay olona mandry amin’ny biby dia tsy maintsy vonoina ho faty.


Ny olon-dratsy sy ny mpivadika kosa hofongorana amin’ny tany sy ho voaroaka tao.


Ho very hevitra ny Ejiptianina fa hampisavorovoroiko ny pôlitikany; koa ny fanahin’ny maty sy ny mpimasy ary ny mpamoha angatra sy ny mpisikidy no hanontaniany.


Misy milaza hoe: «Anontanionareo ny avelon’ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny hoavy. Ara-dalàna raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalàna raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona.»


«Aza mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay olona tsindrian-javatra. Aza maka hevitra aminy fandrao voalotony ianareo. Izaho no TOMPO Andriamanitrareo.


«Raha misy olona mivily hanaraka izay mpamoha angatra sy izay tsindrian-javatra ka hanao fombafomba fanompoan-tsampy dia hohandriniko izy ka hofongorako tsy ho anisan’ny vahoaka israelita.


–Tena nanenenako ny nanaovako an’i Saoly ho mpanjaka, satria nivadika tamiko izy ka tsy nanaraka ny teniko. Tezitra sady nalahelo i Samoela, ka nitaraina mafy tamin’ny TOMPO ny alina tontolo.


Izao àry no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao: «Tsaroako ny nanaovan’ny Hamalekita ny vahoaka israelita fony izy ireo nakarina niala tany Ejipta, dia ny nanakanany ny lalany izany.


Fa ratsy toy ny sikidy ny fikomiana aminy, ary ratsy toy ny fanompoan-tsampy ny tsy fanekena Azy. Koa satria nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, dia mba laviny kosa tsy ho mpanjaka intsony.


Te hanontany ny TOMPO izy nefa ny TOMPO tsy namaly azy na tamin’ny nofy, na tamin’ny orîma, na tamin’ny mpaminany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra