Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 7:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

2 Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan’i Betavena, atsinanan’i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an’i Ay.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 Ary nandefa iraka hiala tany Jeriko hankany Ay izay eo anilan’i Bety-Avena, atsinanan’i Betela i Josoa, ka niteny taminy hoe: Miakara ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo tany an’i Ay.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Naniraka olona i Jôsoe niala tao Jerikô ho any Haia, ka nanao tamin’ireo hoe: «Miakara hisafo ny tany.» Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an’i Haia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 Ary Josoa naniraka olona hiala tany Jeriko hankany Ay, izay eo anilan'i Betavena, atsinanan'i Betela, ka niteny taminy hoe: Miakara, ka safoy ny tany. Dia niakatra ny olona ka nisafo an'i Ay.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 7:2
18 Rohy Ifampitohizana  

Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’i Jehovah izy ka niantso ny anaran’i Jehovah.


Ary ny anaran’izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna tany aloha.


Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.


Ary ny taranak’i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,


Ny hevitra rehetra dia aorin’ny fisainana, Ary ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady.


Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.


Injao! tonga any Aiata izy, Mamaky an’i Migrona izy Ary mametraka ny entany ao Mikmasy,


Midradradradrà, ry Hesbona, fa rava Ay! Mitaraina, hianareo zanakavavin’i Raba! Misikìna lamba fisaonana hianareo; Manaova fisaonana, ary mivoivoiza eo anaty fefy; Fa lasan-ko babo ny mpanjakany, Dia ny mpisorony sy ireo mpanapaka azy.


Na dia mijangajanga aza hianao, ry Isiraely, Aoka ny Joda tsy mba hanota; Ary aza mankany Gilgala na miakatra any Betavena hianareo; Ary aza mianiana hoe: Raha velona koa Jehovah!


Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.


Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,


Ny mpanjakan’i Jeriko, iray; ny mpanjakan’i Ay, izay eo anilan’i Betela, iray;


Ary ny fari-taniny amin’ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka niakatra hatramin’ny ilan’i Jeriko amin’ny aravatra, dia niakatra niankandrefana nahazo ny tany havoana, ka dia nihatra tamin’ny efitr’i Betavena,


ARY Josoa, zanak’i Nona, dia naniraka mpisafo roa lahy mangingina avy tany Sitima ka niteny taminy hoe: Mandehana, izahao ny tany, indrindra fa Jeriko. Dia niainga izy roa lahy ary niditra tao an-tranon’ny vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ka nandry tao.


Ary niverina tany amin’i Josoa izy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka tsy hiakatra avokoa ny vahoaka rehetra; fa olona tokony ho roa arivo na telo arivo no aoka hiakatra hamely an’i Ay; aza manasatra ny vahoaka rehetra hankany, fa vitsy ihany izy.


Ary ny Filistina telo alina an-kalesy sy enina arivo an-tsoavaly ary vahoaka betsaka tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina dia nivory hiady tamin’ny Isiraely; dia nandeha izy ka nitoby tany Mikmasy atsinanan’i Betavena.


Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin’izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.


dia ho an’izay ao Betela sy izay any Ramata amin’ny tany atsimo sy ho an’izay ao Jatira


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra