Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 2:4 - Baiboly Protestanta Malagasy

4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny, ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Nalain-dRavehivavy anefa izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny nefa tsy fantatro hoe avy aiza izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

4 Dia lasa i Rahaba nitondra azy roa lahy sy nanafina azy, vao namaly hoe: –Nisy lehilahy tonga tokoa teto amiko, nefa tsy fantatro izay niaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Dia lasa i Rahaba nitondra azy roa lahy sy nanafina azy, vao namaly hoe: –Nisy lehilahy tonga tokoa teto amiko, nefa tsy fantatro izay niaviany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: «Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Dia nalain-dravehivavy izy roa lahy ka nafeniny ary hoy izy: Tonga tatỳ amiko ihany tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro izay nihaviany;

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 2:4
9 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy Elisa taminy: Tsy ity no làlana, ary tsy ity no tanàna; fa manaraha ahy hianareo, dia hitondra anareo ho any amin’ny lehilahy tadiavinareo aho. Dia nentiny nankany Samaria ireo.


Fa hoy ny mpampivelona tamin’i Farao: Tsy mba tahaka ny vehivavy Egyptiana ny vehivavy Hebreo; fa matanjaka izy, ka raha tsy mbola tonga any aminy akory ny mpampivelona, dia velona izy.


Ary toy izany koa Rahaba janga, tsy nohamarinina tamin’ny asa va izy tamin’ny nandraisany ireny iraka ireny sy ny nampandehanany azy tamin’ny làlan-kafa?


Dia naniraka tao amin’i Rahaba ny mpanjakan’i Jeriko ka nanao hoe: Avoahy ireo lehilahy tonga ato an-tranonao ireo; fa hisafo ny tany no nihaviany.


ary rehefa maizina ny andro, ka hohidiana ny vavahady, dia lasa nivoaka izy, ka tsy fantatro indray izay nalehany; enjeho faingana izy, fa ho tratranareo.


Dia hatolotra ho an’i Jehovah ho zavatra voaozona ny tanàna sy izay rehetra ao; fa Rahaba janga ihany no hovelomina, dia izy sy izay rehetra ao aminy ao an-trano, satria nanafina ny iratsika izy.


Fa Rahaba janga sy ny ankohonan’ny rainy sy ny havany rehetra mbamin’izay nety ho azy dia novelomin’i Josoa, ary mitoetra eo amin’ny Isiraely mandraka andro-any ravehivavy, satria nanafina ny iraka izay efa nirahin’i Josoa hisafo an’i Jeriko izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra