Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 11:3 - Baiboly Protestanta Malagasy

3 dia tamin’ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin’ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ny tany havoana, ary tamin’ny Hivita tany am-bodin’i Hermona, tany amin’ny tany Mizpa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

3 dia tamin’ny Kananita any atsinanana sy any andrefana ary tamin’ny Amorita, ny Hetita, ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ny havoana ary tamin’ny Hivita tany am-pototr’i Hermona, tany amin’ny tany Mizpa.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

3 Nandefasan’i Jabîna iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan’i Jôrdàna, ny Amôrita sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr’i Hermôna, tany amin’ny faritanin’i Mitsepà.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

3 Nandefasan’i Jabîna iraka ihany koa ny Kanahanita tany atsinanana sy andrefan’i Jôrdàna, ny Amôrita sy Hetita ary ny Perizita sy Jebosita tany an-tendrombohitra, ary ireo Hivita nonina tany am-pototr’i Hermôna, tany amin’ny faritanin’i Mitsepà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

3 amin’ny Kananeanina atsinanana sy andrefana, amin’ny Amôreana, ny Heteanina, ny Ferezeanina, ny Jeboseanina, any an-tendrombohitra, ary amin’ny Heveanina any ambodin’i Hermôna, dia any amin’ny tany Masfà.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

3 dia tamin'ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin'ny tany havoana, ary tamin'ny Hivita tany am-bodin'i Hermona, tany amin'ny tany Mizpa.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 11:3
30 Rohy Ifampitohizana  

Ary nataony hoe Mizpa koa izy; fa hoy izy: Jehovah hitazana ahy sy hianao, rehefa tsy mifankahita isika.


Ary naninjitra ny tànany tany Jerosalema Ilay Anjely handringana ny any; fa Jehovah nanenina ny amin’ny loza ka nanao tamin’Ilay Anjely Izay nandringana ny olona hoe: Aoka izay, atsaharo ny tànanao ankehitriny. Ary Ilay Anjelin’i Jehovah dia teo amin’ny famoloan’i Araona Jebosita.


ary tonga tao Tyro, tanàna mimanda, sy tany amin’ny tanànan’ny Hivita sy ny Kananita rehetra, ary dia nankany amin’ny tany atsimo izay an’ny Joda hatrany Beri-sheba izy.


Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin’ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’i Basa; ary nentin’i Asa mpanjaka nanamboatra an’i Geban’i Benjamina sy Mizpa kosa izany.


Ary ny olona sisa rehetra tamin’ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay tsy isan’ny Zanak’Isiraely,


Tahaka ny ando any Hermona, izay milatsaka amin’ny tendrombohitra Ziona; Fa voadidin’i Jehovah ho eo ny fitahiana, Dia fiainana ho mandrakizay.


Ny avaratra sy ny atsimo, Hianao no nahary azy; Ny anaranao no ihobian’i Tabara sy Hermona.


Hiaraka amiko avy any Libanona hianao, ry ampakariko, Eny, hiaraka amiko avy any Libanona, Hitazana eny an-tampon’i Amana, Eny an-tampon’i Senira sy Hermona, Eny an-davaky ny liona, Eny an-tendrombohitry ny leoparda.


Ary ny amiko, dia, indro, honina any Mizpa aho hanompo ny Kaldeana izay ho avy etỳ amintsika; fa hianareo dia manangòna divay sy voankazo masaka fahavaratra ary diloilo, ka ataovy ao amin’ny fitehirizanareo, dia monena amin’izay tanàna nidiranareo.


Ary Jeremia nankany amin’i Gedalia, zanak’i Ahikama, tany Mizpa ka niara-nonina taminy tao amin’ny vahoaka izay sisa velona tamin’ny tany.


Ary ny olona rehetra izay nentin’Isimaela ho babo avy tany Mizpa dia nitodika ka niverina nanatona an’i Johanana, zanak’i Karea.


Ary ny Jiosy rehetra izay tao aminy, dia izay tao amin’i Gedalia tao Mizpa, sy ny Kaldeana izay hita tao ary ny miaramila dia novonoin’Isimaela avokoa.


Ny Amalekita no monina eo amin’ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ny ranomasina sy eo amoron’i Jordana.


hatrany Aroera, izay ao amoron’ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),


REHEFA entin’i Jehovah Andriamanitrao hianao ka tafiditra any amin’ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho hianao.


hatramin’ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana ho any Seïra, ka hatrany Bala-gada eo amin’ny lohasahan’i Libanona am-bodin’ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.


Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ny Isiraely, izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin’ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.


ary Gileada sy ny tanin’ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,


ary ny tanin’ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo am-bodin’ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin’i Hamata,


sy Dilana sy Mizpa ary Joktela


Ary ny amin’ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’i Joda; fa miara-monina amin’ny taranak’i Joda any Jerosalema amndraka andro-any izy ireny.


sy Mizpa sy Kefira sy Moza


Dia hoy Josoa: Izao no hahafantaranareo fa eo aminareo Andriamanitra velona, ka horoahiny eo alohanareo tokoa ny Kananita sy ny Hetita sy ny Hivita sy ny Perizita sy ny Girgasita sy ny Amorita ary ny Jebosita:


Dia nivoaka ny Zanak’Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin’i Jehovah tany Mizpa.


Ary hoy ny Zanak’Isiraely: Iza amin’ny firenen’Isiraely rehetra no tsy niakatra teo amin’ny fiangonana hanatona an’i Jehovah? fa efa nisy fianianana lehibe ny amin’izay tsy niakatra ho any amin’i Jehovah tany Mizpa hoe: Hatao maty tokoa izy.


Dia hoy izy: Iza amin’ny firenen’Isiraely no tsy mba niakatra ho any amin’i Jehovah tany Mizpa? Ary, indro, tsy nisy olona avy tany Jabesi-gileada na dia iray akory aza nankany an-toby ho ao amin’ny fiangonana.


dia ireo andriana dimy tamin’ny Filistina sy ny Kananita rehetra sy ny Sidoniana ary ny Hivita, izay nonina tany an-tendrombohitra Libanona, hatrao akaikin’i Bala-hermona ka hatramin’ny làlana mankany Hamata.


Ary ny Zanak’Isiraely nonina teo amin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.


Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin’i Jehovah


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra