Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 10:2 - Baiboly Protestanta Malagasy

2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona, tahaka ny anankiray amin’ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny ny lehilahy rehetra teo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

2 dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

2 Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehôna dia tanàna lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin’ireo tanàna misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

2 Dia raiki-tahotra mafy ny mponina tao Jerosalema satria i Gibehôna dia tanàna lehibe noho i Hay sady tahaka ny anankiray amin’ireo tanàna misy andriana, ary lehilahy mahery fo avokoa no tao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

2 Dia raiki-tahotra mafy izy, satria i Gabaôna dia tanàna lehibe toy ny iray amin’ny tanànan’andriana, lehibe aza noho i Haia, sady lehilahy mahery avokoa ny ao aminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin'ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 10:2
16 Rohy Ifampitohizana  

Ary Joaba namely an’i Raban’ny taranak’i Amona ka nahafaka ny tanànan’ny mpanjaka.


Ny tahotry ny ratsy fanahy hihatra aminy; Fa ny irin’ny marina no homena azy.


Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.


Anio no vao hataoko mahazo ny firenena ambanin’ny lanitra rehetra ny horohoro sy tahotra anareo, ka raha reny ny lazanao, dia hangovitra sy hangorohoro eo anoloanao izy.


Dia ho hitan’ny firenena rehetra ambonin’ny tany fa ny anaran’i Jehovah no antsoina aminao, dia hatahotra anao izy.


fa fiandrasana mahatahotra amin’ny fitsarana ary fahatezerana mirehitra izay handany ny fahavalo rehetra kosa.


Zavatra mahatahotra ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra velona.


ka hoy izy tamin’i Josoa: Efa natolotr’i Jehovah eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra; ary efa ketraka ny mponina rehetra amin’ny tany noho ny tahotra antsika.


Dia namaly an’i Josoa izy ireo ka nanao hoe: Satria nambara tokoa taminay mpanomponao fa Jehovah Andriamanitrao efa nandidy an’i Mosesy mpanompony hanome anareo ny tany rehetra sy handringana ny mponina rehetra amin’ny tany eo anoloanareo, ary natahotra ny ho faty izahay noho ny aminareo, ka dia nanao izany zavatra izany;


Ary ny mponina tao Gibeona nahare izay nanaovan’i Josoa an’i Jeriko sy Ay,


Ary hoy Davida tamin’i Akisy: Raha mahita fitia eo imasonao aho, aoka mba homena fonenana ao amin’ny tanàna anankiray any an-tsaha aho mba honenako any, fa nahoana ny mpanomponao no hitoetra aminao eto amin’ny renivohitry ny fanjakana?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra